• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Voin-kava mahatratra ho an'i Toliara : Nanolotra fanampiana ho an'ireo traboina ny fitondram-panjakana

13/03/2023 06:07 © Moov.Mg

Nitohy tamin'ny fanolorana fanampiana vonjy ranovaky ho an'ireo tra-boina sy sahirana ao Toliara ny dian'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ramatoa vadiny Mialy Rajoelina omaly 12 martsa 2023.

Vary 1 gony, menaka, siramamy, voamaina, lamba firakotra ary kojakoja isan-karazany ilaina amin’ny fiainana andavanandro no natolotry ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny ho an'ireo vahoaka tonga tao amin'ny Kianja Kira tao Andaboly. Fanampin’ireo dia nahazo "kit solaire" ihany koa ny isan-tokantrano ka tsy hampiasa labozia intsony araka ny fampanantenana nataon’ny Filoha ny vahoakan’ny Toliara.
Nomena moto ihany koa ireo ben'ny tanàna hahafahany manatanteraka ireo andraikitra nankinin’ny vahoaka tamin’izy ireo. Eo amin’ny sehatry ny fahasalamana kosa dia efa tonga ao an-toerana ihany koa ireo "ambulances" ahitana fitaovana hary fomba natolotra ihany koa ho an’ny distrikan'i Toliara I, Toliara II, Beroroha, Ampanihy ary Morombe.
Ho famahàna ny olana ao an-tampon-tanàna kosa, izay dibo-drano foana isaky ny misy rotsakorana, dia nanome toro-marika ny Governora ny Filoham-pirenena ny hametrahana "système de vannes" sy fitaovana hitrohana ireo rano (motopompes) maromaro ao an-toerana mba hiarovana ny tanàna sy ny mponina. Amin’ny lafiny fanadiovana dia nahazo fiara vaventy mpitatitra fako miaraka amin’ny "bennes" ny tanànan’i Toliara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo