• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ambohimiandra : Naneho ny firaisankinany ny mpikabary malagasy

13/03/2023 08:26 © Midi Madagasikara

“Andrianiko ny teniko hanavotako ny fireneko”. Io ny lohahevitra lehibe nentin’ny Federasiona Malagasin’ny Teny sy ny Soratra (FMTS) nanamarihana omaly ny fanombohana ny taombaovao malagasy.

Ho fanamarihana izany dia nifampitaona tetsy amin’ny Espace Gasitsara Ambohimiandra ireo fikambanana maro mitambatra ao anatin’ity federasiona ity, fotoana izay natao koa ho fifampiarahabana tratry ny taona. Nandritra izany no nanehoana koa tamin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana 136 mianadahy izay vao avy nahazo mariboninahi-pirenena avy amin’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Serasera, izay isaoran’ny federasiona manokana ny minisitra tomponandraikitra nahatanterahana izany. Fankasitrahana lehibe tokoa no natolotr’ireo mpikabary malagasy ho an’ny fitondram-panjakana noho ny fisian’ny fiaraha-miasa matotra amin’ity sehatra iray mikolokolo ny kolontsaina malagasy ity.

Ny fotoana omaly no tanteraka dia noho ny fanohanana nentin’i Tsilavina Rakotoarisoa, tompon’ny Espace Gasitsara. Izy dia namana mpandala ny maha malagasy sy mpikabary ihany koa, fantatra amin’ny anarana hoe Tsilavina Levenambola. Ity farany, araka ny fantatra, dia niofana tao amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy. Miantso ny rehetra mba hanohana ity sehatra iray ity izay antoky ny fikolokoloana sy fikajiana ny fiaraha-monina malagasy izy. Iza moa no tsy mahalala fa ny kabary dia ilaina foana ary mandrindra mihitsy ny fiainana malagasy ? Kabary foana no mibaiko : vao teraka, hiditra amin’ny fahatanorana, hanambady, hiteraka, hatramin’ny fahafatesana.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo