• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Sitenyr
Image
Vaovao

Fidianana filoham-pirenena : Babon'i Siteny Randrianasoloniaiko i Fenoarivo Atsinanana

13/03/2023 09:00 © Moov.Mg

Nanamarika ny faran'ny herinandro teo ny Mihava Tour, izay notarihin'ny Solombavambahoaka Siteny Randrianasoloniaiko. Nihaino ny fitarainan’ny mponina sady nandray an-tsoratra moa ny tenany.

Mihava Tour na "Mihaino Antsika Vahoaka" no nentin'Andriamatoa Siteny Randrianasoloniako nanomezana fahafaham-po ny vahoakan'i Fenoarivo Atsinanana. « Nampahantraina ny seha-pamokarana rehetra (vanille, girofle, letchi…) noho ny fanaovan’ny olom-bitsy ampihi-mamba amin’ireo vokatra fanondrana ; simba tanteraka ny làlana ; manjaka ny tsy fandriampahalemana ; mikorosy fahana ny fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka ; manjaka ny kolikoly amin’ny sehatry ny fananan-tany, ny fifamoivozana, ny jono, ny fitsarana… ».
Nilaza ny marary azy rehetra ny vahoaka teto Fenoarivo Atsinanana nandritra ny MIHAVA TOUR. Tsapa fa tena tandindomin-doza ny firaisan-kinam-pirenena sy ny fihavanana Malagasy.
Manoloana ireo toe-javatra ireo dia maro tamin’ireo nandray fitenenana ny nangataka ny firotsahan’i Siteny Randrianasoloniaiko amin’ny fifidianana Filoham-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo