• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Marc Ravalomanana
Image
Vaovao

Marc Ravalomanana : Miantso ny mpanohitra rehetra hiray hina

13/03/2023 09:18 © Moov.Mg

Tontosa soa aman-tsara ny hetsika teny Mandriambero, izay fifampiarahabana nahatratra ny taona ho an'ny TIM Distrikan'Ambohidratrimo.

"Hamafisina fa taona lehibe ahafahana manova ny làlana hizoran'ny firenena ity taona ity ka ahafahana manangana ilay firenena vanona tadiavintsika. Izany anefa dia mitaky fandraisana andraikitra eo amin'ny tsirairay." hoy ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana tetsy Talatamaty.
Nitondra fanentanana ny tenany mba hiray hina izay antoko politika na vondron'olon-tsotra izay tsy mankasitraka ny fitondrana ankehitriny. Nambarany fa hery mitambatra ihany no antoka ametrahana mpitantana vaovao eto amin'ny firenena. Araka izany, tsara raha misoratra amin'ny lisi-pifidianana avokoa ireo olom-pirenena feno 18 taona. Izany no ahafahana maneho ny safidy rehefa tonga ireo fifidianana isan-karazany eto amin'ny firenena Malagasy.

Marihina moa fa tsy nisy sakana ny hetsika izay notanterahina omaly. Tsy nisy ihany koa ireo mpitandro filaminana niantsona teny amin'ny manodidina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo