• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Boeny : Velaran-tany 30 Ha no nambolena afiafy tamin’ny alàlan’ny drone

14/03/2023 16:56 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny asa fambolena hazo manerana ny nosy. Ny faran’ny herin’andro teo dia niroso tamin’ny fanarenana ny ala honko ny teo anivon’ny talem-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ao Boeny sy Betsiboka. Ny kaominina Boanamary, fokontany Besisika no nisitraka izany tamin’ity indray mitoraka ity.

Fampiasana drone

Velaran-tany mirefy 30 Ha indray no novolena afiafy nandritra izany fambolena honko izany. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nampiasaina indray ireo drone, koa nandritra izany dia voana afiafy milanja 300 kg no afaka novolena. Fantatra ary fa haingam-piasa kokoa ary manamora ny famafazana ireo voa amin’ny toerana sarotra idiran’ny olona ny drone.
Mba hahatomombana ny fambolena honko dia ilaina ihany koa ny fahaizana misafidy ny fotoana tsara indrindra hanatanterahana izany. Fantatra ary fa eo amin’ny fotoana hisintoman’ny ranomasina no fotoana tsara indrindra hambolena ny honko sy hamafazana ny voa. Mandritra io fotoana io no mamotaka sy malemy ny tany koa manamora ny filentehan’ny voa. Azo tanterahina mandava-taona ny fambolena azy io noho izany.

Ala honko, manampy amin’ny asa fitadiavan’ny mponina

Zava-dehibe ho an’ny mponina ao Boanamary tokoa izao firosoana amin’ny fambolena honko izao. Ny fisian’ny hetsika toa izao no anisany manampy azy ireo amin’ny fivelomany satria miverina avokoa ny fiharian’izy ireo. Ao anatin’ny ala honko tokoa moa no mivelona sy manatody ireo hazandranomasina samihafa toy ny trondro, ny drakaka ary ny makamba. Hatramin’ny nanarenana ny ala honko izay niharan’ny fahasimbana tany amin’iny toerana iny ihany koa dia afaka mivelatra amin’ny seha-pihariana hafa ankoatra ny jono, toy ny tantely sy ny landy ireo mponina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo