• Cours de change
  • 4743.08 AR
  • |
  • $4416.88 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Fakana an-keriny zaza tsy ampy taona : Teratany vahiny iray tra-tehaky ny polisy

17/03/2023 22:03 © Moov.Mg

Ny 13 Martsa lasa teo dia naharay antso ny Polisy mahakasika trangana fakana an-keriny iray izay niseho tetsy amin'ny fiangonana iray etsy Andavamamba. Tonga ara - potoana teny an-toerana ny Polisy ary nosamborina ilay karana voalaza fa saika hanao izany .

Tamin'ny alalan'ny fanadihadiana no nahafantarana fa nampiresahan'ity karana ity tao am-piangonana ireo tovovavy ary saika hoentiny hisakafo hiaraka aminy.

Ny iray amin'ireo tovovavy nampiresahany no nilaza fa tsy nahatsiaro tena izy rehefa avy niresaka tamin'ilay karana. Rehefa nozahana ny toe-pahasalaman' ity tovovavy ity dia noho ny fahatahorana no nahatonga azy ho tsy nahatsiaro tena. Tsy araka ny vaovao niely tamin'ny tambajotran-tserasera izay milaza ho nisy tsindrona zava-mahadomelina na fanafody hafa mety ho nampidirina taminy no nahatonga ilay fahatoranana.

Tsara hamafisina fa voarara ary faizin'ny lalàna ny trangana fanodikodinana zaza tsy ampy taona tahaka izao. Natolotra ny fampanoavana moa ilay karana dia nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin'ny fonjan'Antanimora.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo