• Cours de change
  • 4737.31 AR
  • |
  • $4420.49 AR
Copyright Image : © Tanora Maneho Kanto
Image
Vaovao

Vakinankaratra – Tanora Maneho Kanto Antsirabe : Hametraka fandriampahalemana maharitra

21/03/2023 09:13 © Midi Madagasikara

Naseho tamin’ny alalan’ny fampisehoana nanana endrika maro loko ny tanjoka kinendrin’ny Tanora Maneho Kanto teto Antsirabe, hetsika izay niarahana tamin’ny Obs Mada sy ny ministeran’ny serasera sy ny kolotsaina eto Vakinankaratra.

Isan’ny tanjon’ny Tanora maneho kanto ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ka nifantoka tamin’izany ny fampisehoana natao tao amin’ny tranoben’ny kolotsaina ny Sabotsy 18 Martsa 2023 lasa teo.

Loahevitra telo lehibe no nosafidiana nampitaina hafatra nandritra ny fampisehoana. Isan’izany ny ady hatao hiadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny tsy mitovy fananahana. Faharoa ny fampanana asa ny tanora ary farany hafatra ho an’ny fandriampahalemana. Mifampiankina ireo loahevitra telo ireo hoy Rtoa Fenofitondrana Rakotozanakajy filohan’ny Tanora Maneho Kanto eto Antsirabe satria isan’ny miteraka tsy fandriam-pahalemana ny tsy fananan’asa ka manosika ny tanora hanaonao foana ka miafara amin’ny fangalarana izay miteraka tsy fandriam-palehamana ho an’ny daholobe.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo