• Cours de change
  • 4737.31 AR
  • |
  • $4420.49 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Andravoahangy : Tratra ambodiomby ny mpangaro-paosy iray

29/03/2023 05:37 © Moov.Mg

Miasa mafy ireo mpitandro ny filaminana mba handry fahalemana ny eto an-drenivohitra. Omaly 28 martsa dia nisy mpangaro-paosy tra-tehaka teo am-pakana findain'olona.

Fisafoana amin'ny ora tsy ampoizina

Miasa andro aman'alina ny mpitandro ny filaminana. Anisan'ny faritra tena iasan'izy ireo ny faritra be olona sy misy tsena toa an'Analakely, Isotry, Andravoahangy, Anosibe, sns. Ahitana vokatra tsara moa ny fisafoana amin'ny ora tsy ampoizina, mba tsy hahamailo ireo mpanao asa ratsy.
Tsy tantrotandron'ity lehilahy iray ny fandalovan'ireo polisy. Hitan'ireto farany tsara ny nangalarany findain'ny mpiantsena iray teo Andravoahany.

Fahamailoana sy fitorohana

Mila mailo hatrany ireo mpiantsena, na mandeha vao maraina, na atoandro na hariva. Raha mitondra kitapo na poketra dia atao eo aloha foana izany mba ahitana izay rehetra mety mitady hamoha na hisikotra zavatra. Fadiana ihany koa ny misisika amin'ny faritra be olona loatra. Anisan'ny tena anararaotan'ireo tontakely ny fijerevana friperie, izay matetika mahavariana ny maro.
Tsara kokoa raha izay vola tena ilaina ihany no entina rehefa miantsena. Raha azo atao dia ajanona any an-trano ny finday. Raha sendra mahatratra olon-dratsy na voaendaka kosa, tokony miantso ny mpitandro filaminana avy hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo