• Cours de change
  • 4737.31 AR
  • |
  • $4420.49 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

PPN : Tsy mitsaha-mitombo ny vidim-bary eto Antananarivo

30/03/2023 07:23 © Moov.Mg

Mbola tsy nisy toa izao ny fiakaran’ny vary eto Antananarivo renivohitra. 1000 ariary ny iray kapoaka ny vary gasy makalioka. Ny vary mena gasy kosa dia 1100 ariary raha ambany indrindra .

Fiakarana mihoatra ny tokony ho izy

90% izany fiakaram-bidy izany tao anatin’ny enim-bolana monja. Ny faran’ny taona 2022 dia mbola manodidina ny 700 ariary ny kapoaka ka 2100 ariary ny iray kilao ny vary gasy. Ankehitriny dia efa mananika ny efatra arivo ariary ny kilaon'ny vary gasy mena. Mikaikaika araka izany ny ankamaroan'ny Malagasy, eny fa ireo manan-katao aza. "Mahatsikaritra fiakaram-bidy foana aho isan-kerinandro, rehefa mividy ny varinay mandritra ny herinandro iny aho", hoy ny renim-pianakaviana iray.

Fahantrana lalina

Ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy ary haniny in-telo isan’andro izany. Koa raha vao ity vary ity no miakatra ny vidiny dia ny fiainam-pirenena mihitsy no voatohitohina. Tsy vitsy ireo tsy mihinam-bary afa-tsy indray mandeha isan'andro sisa. Zary ilaharana mihitsy ireo mpivarotra hani-masaka izay mbola mivarotra vary sy laoka 1 000 na 1 500 ariary.

Fandraisana andraikitra

Miezaka mijery akaiky ny fiakaram-bidy tsy ara-drariny ny eo anivon'ny ministeran'ny varotra. Tsy ampy nefa izany satria ny eny amin'ny mpamongady mihitsy no efa lafo ny vary. Antony mahatonga izany ny fararatsian'ny lalana sy ny fiakaram-bidin'ny entana ampiasaina amin'ny andavan'andro amin'ny ankapobeny. "Ny mason-karena tsy azo iadiana varotra, ary ampiakarin'ny mpamatsy mihitsy ny vidiny satria izahay dia manana faktiora mazava", hoy ny mpamongady iray etsy amin'ny tsenan'Anosibe.

Mifehy kibo tokoa ny vahoaka Malagasy satria na eo aza ny mangahazo, ovy na paty, tsy misy azo asolo ny vary. "Hafa ihany ny mihinam-bary" !

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo