• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

67ha : Lehilahy nangalatra tao amin’ny kaomisaria

02/04/2023 08:48 © Midi Madagasikara

Noraisim-potsiny ara-bakiteny ary dia nanomboka teo ihany dia notazomina sy nanokafana fanadihadiana.

« Fahasahiana ny an’ity tovolahy ity fa ao anatin’ny biraon’ny polisy mihitsy izy no mangalatra finday nipetraka teo ambony latabatra » raha araka ny tatitry ny polisy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborin-tany fahafito. Ny tsy nampoiziny dia hitan’ny polisy ny fihetsika nataony ka teo ihany dia raikitra ny fisamborana. Mbola tratra teny aminy ny finday izay vao avy nalainy. Raha araka ny fanamarinana tsotsotra dia olona manan-draharaha tao amin’ny polisy ity lehilahy ity. Nilaza izy fa misy polisy fantany ao ary niandry azy tao amin’ny faritry ny biraon’ny polisy izy. Tao anatin’izay fotoana izay anefa no hitany ho nisy finday nipetrapetraka teo ambony latabatra ary dia tsy nisalasala izy ny nangalatra izany. An-kavitsiana ny tranga toa izany noho ny antony iaraha-mahalala. Manoatra noho ny fitenenana hoe « mamo miantso polisy » ny zava-bitan’ilay lehilahy satria izy dia tompon’ny tenany tanteraka tamin’ny fanatontosana ny halatra. Natao laharam-pahamehana avy hatrany ny fanokafana fanadihadiana ity lehilahy sahisahy ity. Raha ao amin’ny toerana azo sokajiana ho faran’izay voaaro tokoa moa izy no sahy mangalatra, azo heverina fa mahavita ratsy eny amin’ny fiaraha-monina rehetra eny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo