• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fifandraisana ara-diplomatika : Nahazo masoivoho vaovaon'ny firenena norveziana i Madagasikara

26/04/2023 19:45 © Moov.Mg

Mihamafy hatrany ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin'i Madagasikara sy i Norvezy. Androany 26 aprily 2023 no nanoloran'ny masoivoho vaovao, Andriamatoa Gjermund SAETHER, ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara.

Andriamatoa Gjermund SAETHER no masoivohon'i Norvezy vaovao eto Madagasikara. Androany maraina no nandraisan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina azy teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha.
Tsiahivina fa i Norvezy dia mpanohana mavitrika ny sehatry ny fambolena sy ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Tsy adino ny famatsiam-bola sy ny fandraisana anjara amin'ny endrika samihafa ny fampianarana sy ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy sy ny mahavavy. Miara-miombon'antoka amin'ny Madagasikara amin'ny famokarana angovo azo havaozina ihany koa i Norvezy. Efa maherin'ny 150 taona ny fiaraha-miasa teo amin'ny firenena roa tonta.

Mpamatsy vola mavitrika

Araka ny efa voalaza tetsy ambony, tsy azo hodian-tsy hita ireo fanampiana efa natolotr'i Norvezy ho an'i Madagasikara. Ny tena nanamarika ny fiaraha-miasa dia ny fanampiana mavitrila taorian'nt krizy Covid-19. Nanolotra vola mitentina 4,16 tapitrisa dolara mantsy ny governemanta norveziana mba anarenana ny sehatry ny fanabeazana, indrindra fa tany amin'ny faritra Anosy.
Manan-danja amin'ny firenena Malagasy ny fanamafisan'i Norvezy indray ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana amin'ny firenena Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo