• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Madagasikara-Espana : Raimundo Robredo Rubio no masoivohon'ny governemanta espanola eto amin'ny Nosy

27/04/2023 03:28 © Moov.Mg

Raimundo Robredo Rubio no voatendrin'ny governemanta espanola ho masoivohony eto amin'ny firenena Malagasy. Nanolotra ny taratasy hiasany eto Madagasikara tamin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tenany.

Ny 26 aprily no noraisin'ny filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina ny masoivohon'ny firenena espanola, dia Andriamatoa Raimundo Robredo Rubio. Efa an-taonany maro moa ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta. Tamin'ny taona 1966 no efa nanomboka ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin'i Madagasikara sy Espana.

Fifandraisana ara-barotra

Tsara ny manamarika fa eo amin'ny tontolon'ny varotra no tena ifandraisan'i Madagasikara sy Espana. Tamin'ny taona 2017 ohatra, efa maherin'ny 280 miliara ariary ny vidin'ny entana naondran'i Madagasikara tany Espana. Akanjo, nickel ary karazan-tsakafo toy ny trondro no aondran'ny firenena Malagasy amin'izany. Mandray entana avy any Espana ihany koa moa i Madagasikara.
Nandritra ny taona maro izay nisian'ny fiaraha-miasa teo amin'ny firenena roa tonta dia niditra an-tsehatra teo amin'ny fanohanana ny fizahan-tany sy ny ara-tsosialy i Espana. Tamin'ny taona 2014 ohatra dia efa niditra an-tsehatra tamin'ny fanampiana ireo iharan'ny kere any atsimo ny firenena espanola. Mitentina 2 miliara ariary ny vola natolotra tamin'izany fotoana izany. Mbola misy fanohanana mihoatra ny 57 miliara ihany koa namatsiana ny fampiofanana ireo tanora liana amin'ny fambolena sy ny asa birao isan-karazany, ho an'ireo mponina any amin'ny faritra atsimon'ny Nosy ihany.
Maro ireo fanohanan'ny firenena espagnola ny Malagasy amin'ny lafiny maro. Ireto ohatra misy teboka vitsivitsy tena nanamarika :
-Fitrandrahana ny angovo azo avaozina
-Fanohanana ireo mpiangaly mozika klasika sy ireo mpandihy
-Fankalazana ny "Festival du cinéma espagnol"
-Fampiroboroboana ny fizahan-tany

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo