• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Làla-mikodana Antananarivo – Toamasina : Tonga ireo fitaovana vaventy hanatanterahana ny asa

11/05/2023 17:05 © Moov.Mg

Làla-mikodana Antananarivo – Toamasina : Efa eny an-dàlana niala an’ny Toamasina hihazo an’i Talatamaty ireo fitaovana vaventy na « engins » ilaina amin’ny fandrosoan’ny asa.

Mitohy ny asa fanamboarana ny làla-mikodana na autoroute izay mampitohy an’i Antananarivo sy Toamasina.
Nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny fiandohan’ity herinandro ity ireo fitaovana na engins ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa fanamboarana ilay làla-mikodana hampitohy an’i Anatananarivo sy Toamasina. Mitohy hatrany ny asa fanamboarana noho izany.

Ezaka fanajana ny tetiandro

Araka ny efa natsidika tetsy ambony dia efa an-dàlana mihazo an’i Talata Volonondry ireo fitaovana vaventin’ny orinasa egiptiana SAMCRETE. Fitaovana vaventy hafa ihany koa no ho tonga afaka roa herinandro eo ho eo. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny « fanafainganana ny fahavitan’ny tetikasa ny fahatongavan’ireo fitaovana ireo mba hanajana ny tetitandro hanatantehana ny asa », hoy ny avy eo amin’ny ministeran’ny Asa vaventy.
« Mizotra an-tsakany sy andavany hatreto ny fitaterana ireo fitaovana ireo izay misy sora-baventy maneho ny sainan’ny firenena egiptiana sy malagasy miaraka amin’ny soratra tetikasa fanamborana làla-migodana Antananarivo – Toamasina », nanamafy ny ministera mpiahy anio.

Fidinana ifotony

Nandeha ny resaka tato ato fa tsy voahajan’ny orinasa SAMCRET ny tetiandro voatondro hamitana ny tetikasa fanamboarana ny làla-mikodana Antananarivo – Toamasina. Nisy araka izany ny fidinana ifotony notanterahan’ny teo anivon’ny ministeran’ny Asa vaventy, omaly teny Ambohitrolomahitsy, mba hijerena ny fandrosoan’ny asa.
Efa-bolana taorian’ny fanombohana ofisialy ny asa dia eo amin’ny 20 kilometatra eo ho eo, ankehitriny, ny asa fandravonana efa vita. Nanamafy ny fandehanan’ny asa ny masoivohon’i Egypta miasa eto Madagsikara, Rabab Said Abdou Abdelhadi, omaly, nandritra ny fihaonany tamin’ny lehiben’ny antenimieram-pirenenana : « Mandroso araka ny tokony ho izy ny asa fanamboarana ny làla-mikodana Antananarivo – Toamasina ».
Nisy anefa ny feo nandeha fa misy ny tsy fifankazahoana eo amin’ireo tompon-tànana sy ireo mpiasan’ny Samcret. Voalaza ihany koa fa vokatry ny tsy fanarahan’ny orinasa ny toro-dàlana mahakasika ny famakiana ny làlana efa napetraka tany amboalohany no anton’izany. Nidina ifotony niresaka tamin’ireo mponina ary niezaka nandamina ny disadisa ny ministeran’ny Asa vaventy manoloana izany.
Heverina fa hanampy ny orinasa Samcret amin’ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny làla-mikodana ny fahatongavan’ireo fitaovana vaventy ireo. Endrasana ihany koa anefa ny famahana ny olan’ireo mponina izay miandry ny fandohavana ny tambin’ny fakana ny tanin’izy ireo ho amin’ny tombo-tsoa iraisana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo