• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Inddl
Image
Vaovao

Antananarivo : Ho amafisina ny fahaiza-manaon’ireo birao 11

11/05/2023 18:32 © Moov.Mg

Tontosa ny 09 sy ny 10 Mai 2023 lasa teo ny atrikasa entina hampiharana ny drafitra fanamafisana fahaiza-manao na ny « plan de renforcement de capacité » ho an’Antananarivo Renivohitra sy ireo boribory tany enina.

Fanatsarana ny tolotra

Ny drafitra fanamafisana fahaiza-manao dia fomba iray entina hanatsarana ny tolotra sy ny fandraisana olona eny anivon’ireo boribory tany enina ary ireo fitaleavana dimy eo anivon’ny Antananarivo Renivohitra. Miisa 11 araka izany ireo drafitra izay fantatra fa nodinihina nandritra ny roa andro tetsy amin’ny trano fivorian’ny biraon’ny kaominana Antananarivo Renivohitra.
Vita ny fametrahana ny drafitra ary efa neken’ireo mpisehatra rehetra izay voakasiky ny atrikasa izany. « Hitohy amin’ny fandinihana ny drafitra na ny « observation » ny asa, satria nisy ireo angom-baovao vaovao voaray izay tokony ho jerena ihany koa. », araka ny nambaran’i Christophe Harimalala Niurka, Directeur des Études, de la Recherche et du Développement du Partenariat de l’Institut National de la Décentralisation et du Développement Local (INDDL).

Drafitra mifandraika amin’ny filàn’ny mpisehatra

Ireo drafitra izay napetraka dia mifantoka amin’ny zava-misy eny amin’ny fitaleavana miisa dimy eo anivon’Antananarivo Renivohitra sy ireo boribory tany enina manerana ny kaominina.
Aorian’ny « observation » izay atao ankehitriny dia hisy ny fanaovana sonia ny atao hoe « contrat d’objectif ». Ity farany no mamaritra ny mari-bola mifanaraka amin’ireo tetikasa izay ho tontosaina. Rehefa izany dia hiroso amin’ny fanatanterahana ny drafitra izay efa vita sonia sy efa ahitana ny mari-bola mifandraika amin’ny tetikasa ho tanterahana ireo tompon’andraikitra sy mpisitraka isan-tsokajiny. Marihina fa ahitana tolotra samihafa toa ny fiofanana, ny tantsoroka ary ny fampitaovana ara-materialy sy ara-teknika an’ireo birao voakasika io drafitra napetraka io.
Hisy araka izany ny fiofanana ho an’ireo birao 11, ary haharitra telo hatramin’ny dimy andro isaky ny lohahevitra izany. « Lohahevitra maro no ho resahana, izay hitambaran’ireo birao 11. Hisy ihany koa ny lohahevitra manokana isaky ny birao, miankina amin’ny zava-misy sy ny filan’ireo birao tsirairay avy. » hoy ny talen’ny DERDP an’ny INDDL, Chritophe Harimalala Niurka.
Inoana fa hiteraka vokatsoa ho an’ireo birao 11 ny fametrahana drafitra toa izao. Endrasana ihany koa hanatsarana ny fandraisana an-tànana ny olona eny anivon’ireo birao amin’ny alàlan’izao drafitra izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo