• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Betongolo : Manambana antsy anaty taxi-be ny mpanendaka

12/05/2023 09:28 © Midi Madagasikara

Tsy eny an-dalam-be na eny amin’ny toerana mangingina no raikitra ny fanendahana fa kosa ao anaty fiara fitateram-bahoaka. Izany hoe toerana be olona ary misy mahita lalandava izay mety ho fihetsika hatao ao anatiny.

Toa tsy mahasakana ny olon-dratsy intsony anefa izany. « Voaendaka teo amin’ny mifanandrify ny chapelle militaire Betongolo ny tenako omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sy 30 minitra » raha araka ny fanazavan’ny mpandeha taxi-be iray izay sady mpanao gazety rahateo. Notohizany fa : « lehilahy miisa roa izay mitondra antsy lava no nanatanteraka izany tao anaty bus. Niakatra teo amin’ny Station Total Bel Air izy ireo ary tsy nety nipetraka teny amin’ny toerana malalaka fa namonjy teo akaikiko (seza farany mitokana akaikin’ny varavarana) » hoy izy manohy ny fanazavany. Ny iray dia lehilahy bokonazatra sy ranjànana raha mifanohitra amin’izany kosa ny vatan’ilay namany faharoa izay sady mahia no efa lehibe amin’ny taona. « Noteren’izy ireo aho ary rehefa tery dia nambanan’ilay iray kely tamin’ny antsy ny kiboko no sady niteny izy ny amohakako ny vola sy ny finday tao anaty poketrako (tsy nilalao finday akory anefa aho tao anaty bus) . Ny iray ngeza indray dia nanakona ny olona tao anaty fiara mba tsy hahita ny fanendahana ahy. Vao vita izany dia lasa nidina ny bus izy ireo ary tsy nitsoaka akory fa mandeha am-pilaminana », raha araka ny voaendaka. Io farany dia niezaka ny nidina avy hatrany koa mba hitady vonjy tamin’ireo miaramila mivezivezy manodidina ny toby.

« Toa olona adala ny fijerin’ireo mpiambina ny ministera ahy. Samy nifanilika andraikitra teo ary na ny nilanja basy aza dia nanazava fa tsy andraikiny izany ka mila mandeha ao amin’ny tompon’andraikitra aloha. Ny mpanendaka amin’io lasa ihany nefa dia mpanendaka mandeha an-tongotra sady tsy mihazakazaka akory. Nihazo ny arabe mazava izay midina any Besarety izy ireo, tsy taitra akory », hoy ihany ny voaendaka. Dia niala maina teo fotsiny ilay ramatoa izay nody tamin’ny tanam-polo. Amin’ny maha-mpanao gazety azy dia mba nanadihady sy nanontany ny mponina manodidina ilay ramatoa. Nilaza ho mahafantatra ireo izay nanontaniana saingy tsy nisy sahy nijoro ho vavolombelona. Manao akanjo ambony miloko miaramila hatrany ireo olon-dratsy ary mivezivezy eo amin’ny manodidina an’Ambodimanga, Rasalama ary hatrany Bel’Air. Ireo no toerana filalaovany ary mielanelana iray andro ny fotoana fivoahany, raha araka ny fitateran’ireo olona manodidina hatrany. Efa nampitaina teny amin’ny mpitandro ny filaminana ny fitarainana sy ny momba ireo mpanao ratsy ary andrasana ny fandraisana andraikitra. Asa raha mba manenjika ny sain’ny sasany izay natao hiaro ny tanindrazana kanefa ny vahoaka voaendaka eo ambany maso nojerem-potsiny…

D.R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo