• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mae
Image
Vaovao

Vaovao tsy marina ny Hena misy "formol", hoy ny ministeran'ny varotra sy ny ministeran'ny fiompiana

13/05/2023 07:38 © Moov.Mg

Manoloana ny feo mahakasika ny fisian’ny «formol » amin’ny henomby amidy eny an-tsena, samy manamafy ny eo anivon'ny ministeran'ny varotra sy ny ministeran'ny fiompiana fa tsaho izany

MAE

Ny alakamisy 11 mey, nanambara ny ministeran'ny fiompiana fa hena salama sy madio, voamarina vita fitomboka ary voarakitra anaty «carnet de contrôle » no amidy eny amin’ ny tsena. Nanamafy ny tompon’andraikitry ny abatoara sy ny mpivarokena fa manaraka ny fepetra ara-pahasalamana rehetra ny henomby izay mivoaka eo amin’ny abatoara. Amin’izany dia azo antoka fa ara-dalàna ny lalan’ny omby sy ny henomby iray satria andraisan’ireo amabaratonga isan-tsokajiny andraikitra anjara amin’ny fanaraha-maso.

MICC

Ny zoma 12 mey kosa, anjaran'ny ministeran'ny varotra no nanambara ampahibemaso ny valin'ny fitiliana natao. Nandiso ny resaka naely amin’ny momba ny hena misy “formol” ny valin’ny fitiliana izany fitiliana izany, araka ny tatitra nataon'ny Talen’ny Rafitra mpanara-maso ara-pahasalamana ny hatsaran’ny sakafo (ACSQDA) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Andrianjaka Razafinarivo. Nanentana ny tompon’andraikitra hanohy hatrany ny ezaka sy hanamafy ny fanaraha-maso kosa ny Filohan’ny Komity Nasionaly Codex Alimentarius, Dr Ilo Tsimok’Haja Ramahatafandry. Nitodika tamin’ny mpivarotra ihany koa moa izy mba “tsy ho alaim-panahy hanandrakandrana" aorian’izao filazana izao fa tsy nahitana formol ny hena natao fitiliana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo