• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Ankazoabo Atsimo : Avotra ilay zaza varira nalaina ankeriny

15/05/2023 16:19 © Moov.Mg

Avotra soa aman-tsara ilay zaza varira nisy naka ankeriny tany Ankazoabo Atsimo.

Fiaraha-mientana

Noho ny fiaraha-mientana nisy teo amin’ny fokon’olona sy ny mpitandro ny filaminana dia avotra soa aman-tsara ilay zazavavy kely varira 11 taona, ary tsy misy ahiana ny ainy. Taorian’ny fanarahan-dia izay nataon’ny polisim-pirenena sy ny fokonolona, noho izany, dia afaka tamin’ny gejan’ireo dahalo naka an-keriny azy ity zazavavy kely varira ity.
Ankoatra io zaza io dia tafaverina soa aman-tsara tany amin’ny tompony ihany koa ny omby izay nagalarin’ireo jiolahy ireo tao Bealalana, Toliara II. Marihina fa nandritra ny 1 andro tontolo no nanaovana izany fanarahan-dia izany ka nahazoana izao vokatra izao.

Mirogantra ny fakana an-keriny ireo zaza varira

Rehefa tonitony kely ity trangana fakana an-keriny ny zaza varira ity tao ho ao dia miverina mirongatra indray izy ankehitriny. Ankoatra ity tranga hita tany Ankazoabo ity dia nitrangana halatra zaza varira iray hafa koa tany Betioky Atsimo ny herinandro lasa teo.
Raha tsiahivina dia lehilahy efatra no hita nitondra zazavavy kely varira iray. Nanaitra ny sain’ny manodidina ny nahita ireto farany ka avy hatrany dia nohadihadian’ny zandary. Ny iray tamin’ireo olona efatra ireo dia tafaporitsaka. Ny telo ambiny kosa dia natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany ny 12 may lasa teo rehefa avy nanaovana famotorana teny amin’ny zandary.
Mbola karohana noho izany ireo rehetra mety hifangidotra amin’ity resaka fitondrana zaza varira tany Betioky ity. Tadiavina ihany koa ireo ati-doha mpiketrika an’ity halatra zaza varira ity.
Manoloana ireo trangana fangalarana zaza varira dia manentana ny rehetra izay mety manana loharanom-baovao ny zandarimariam-pirenenana mba hampandre azy ireo sy ireo manampahefana akaiky. Tanjona amin’izany ny hiadiavana amin’ny halatra olona fa indrindra amin'ny halatra varira.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo