• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Teknolojia : 18 miliara ariary no voatahiry noho ny "digitalisation" teny amin'ny Oniversite

19/05/2023 13:46 © Moov.Mg

Tanterahina eto Madagasikara mandritra ny roa andro ny "Assises de la Transformation Digitale en Afrique" andiany faha-12. Firenena 40 no mandray anjara, ka ny 30 mandray anjara mivantana ary ny 10 mandray anjara amin'ny alalan'ny fampitan-davitra.

Tontotsa ny maraina teo ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny "Assises de la Transformation Digitale en Afrique" andiany faha-12. Nanotrona ny lanonana tetsy amin'ny Novotel Ivandry ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Tao anatin'ireo lahateny nifandimby no nanasongadinana ny maha-zava-dehibe ny teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra. Tsy vitsy ankehitriny ny olon-tsotra na orinasa miankina tanteraka amin'ireo fitaovana ara-teknolojia, indrindra ireo fampitan-davitra isan-karazany. Raha ho an'ny fitondram-panjakana, nahazoana tombony betsaka ny digitalisation. Mampihena ny vola mivoaka mantsy izany. Ohatra amin'izany ny fihenan'ny vola lany amin'ny fikirakirana ny vatsim-pianarana. Teo aloha dia 47 miliara no lany, ka nihena ho 29 miliara izany. Teo amin'ny 18 miliara izany no tahirin'ny fanjakana. Tsy latsa-danja ihany koa ny "digitalisation" teo amin'ny fandoavana ny karaman'ny mpiasam-panjakana sy ny lisitra eo anivon'ny fokontany.
Ampahatsiahivina fa efa amam-polony ireo "bornes Wi-Fi" izay azon'ny besinimaro ampiasaina eto Antananarivo. Mbola hisy efapolo mahery ho apetraka ihany koa amin'ity taona ity, mba hisitrahan'ny rehetra ny "internet".
Asaina ireo mpianatra, mpitady asa sy mpandraharaha, indrindra ireo liana amin'ny sehatry ny "digitale" hitsidika ny "village digitale" eny amin'ny Novotel Ivandry. Androany 19 may sy rahampitso 20 may ny hetsika.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo