• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

11ème Jeux des Iles de l'Océan Indien - 2023 : Fantatra ny Logo sy ny Hira Faneva

20/05/2023 05:11 © Moov.Mg

Efa eo am-panomanana tanteraka ny lalaon'ny nosy 2023 i Madagasikara. Natolotra tamin'ny fomba ofisialy androany ny Sary famantarana na logo, ary koa ny hira faneva.

Lanonambe no nandraisana ireo "identités" mikasika ny Jeux des Iles de l'Océan Indien andiany faha-11 teny amin'ny CCI Ivato. Nanotrona ny fampisehoana ny Logo sy ny Hira faneva imin'reo olo-manan-kaja maro , raha tsy hitanisa afa-tsy ny filoham-pirenena, ireo minisitra, ireo depiote, ny filohan'ny Commission Internationale des Jeux ary ireo mpilalao handray anjara.
Mitondra ny teny faneva hoe "Fandresena ao anatin'ny firaisan-kina sy ny fahasamihafana" ny sary famantarana. Singa telo moa no nandrafetana azy :
-Ny sifaka na "maki" na "lémurien de Madagascar, izay biby arovana sady mampiavaka ny nosy ;
-Ny tanana mifandray maroloko izay maneho ny firaisan-kina, ny firahalahiana sy ny maha-iray ;
-Ny fanahohezan-teny JIOI.
Manomboka izao dia ho tazana eny amin'ny haino aman-jery samihafa sy ny peta-drindrina ary ny fitaovana ampiasaina amin'ny lalaon'ny nosy ny sary famantarana. Ho re matetika ihany koa ny hira faneva izay manandratra ny kanto Malagasy sy ny "fandresena ao anaty firaisan-kina".

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo