• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Bongolava : Mpampianatra miisa 168 lasa mpiasam-panjakana

20/05/2023 05:28 © Moov.Mg

DREN Bongolava : Mpanabe miisa 168 no nahazo fifanarahana arak'asa avy amin'ny fanjakana foibe. Nandritra ny fitokanana ny sekoly manara-penitra Avaratsena no nanolorana izany.

Anisan'ireo misedra olana goavana ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny fampianarana eto Madagasikara. Tsy vitsy amin'izy ireo no mikarama varimasaka, indrindra moa fa ireo "vacataires" na ireo "Fram". Efa misy kosa nefa ny programan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena mba hanatsarana ny fari-piainan'ireo mpampianatra. Noho izany indrindra dia miisa 168 ireo lasa mpiasam-panjakana, ha hisitraka tambin-karama mifandraika amin'ny diplaoma ananany.

Sekoly manara-penitra

Vita soa aman-tsara ny asa fanamboarana ny sekoly ambaratonga fototra tao Avaratsena. Natao fotodrafitr'asa manarapenitra ny trano manontolo sy ny fanaka ampiasaina ao anatiny. Tao aorian'ny fitokanana no nanoloran-dRamatoa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Marie Michelle SAHONDRARIMALALA, ireo fifanarahana arak'asa. Tsy adino ireo boky isan-karazany sy ny Rakibolana izay ho ampiasain'ny mpanabe sy ny mpianatra. Farany, notolorana bisikileta miisa 296 ihany koa ireo mpianatra sy mpanabe mendrika tamin'ny taona lasa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo