• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Evans_Hejjà_Ajay
Image
Vaovao

Androndra : Taximoto maty voatsindron’antsy

21/05/2023 07:39 © Midi Madagasikara

Manodidina ny amin’ny enina ora sy sasany hariva dia efa nandriaka ny rà tetsy Ampamantanana-Androndra. Ny harivan’ny alalamisy teo no nitranga ilay heloka bevava.

« Naheno antso vonjeo indray aho ary raha nitodika tany dia olona efa nitsirara amin’ny tany ary feno rà no tazako » raha araka ny fanazavan’ny olona iray teo an-toerana. Ny zavatra hita rehefa nanakaiky ny toerana dia moto iray nipetraka tsara ary olona voatsindron’antsy teo amin’ny tendany teo akaikin’ilay kodiaran-droa. Raha ny tombana dia nijanona vetivety teo an-toerana izy ary teo indrindra no nanatona ny mpamono azy. Mbola hita teo an-toerana koa ny antsy izay namonona azy, niforitra roa ilay zava-maranitra izay mirefy efa ho 20 sentimetatra. Rehefa tonga ny polisy nijery ny razana dia hita koa ny taratasy mahakasika azy. Teo no namantarana fa Rakotondrasoa Janô ny anarany ary miasa manao taxi-moto ny asany, mitoby eo akaikin’ny Shell By-pass. Raha ny fihevitry ny maro dia tsy halatra velively no anton’ny famoanoana satria ny moto nipetraka tsara teo ary tsy nisy nahatsikaritra sinto-mahery koa ny manodidina. Dikany izany, azo heverina fa lonilony no nitranga na koa mety ho olona mahafanta-javatra mety ho tsiambaratelo tsy tiana hiparitaka ity lehilahy ity. Ny fanadihadian’ny polisy miandraikitra ny raharaha heloka bevava no mety afaka hamaritra izany sy izay mety ho tompon’antoka. Etsy andanin’izany, mirongatra tanteraka ny heloka bevava eto an-drenivohitra tato ho ato. Mbola iny alin’ny alakamisy iny koa no nisy zandary iray izay voatifitra raha nandeha nividy laoka hariva tetsy 67ha (jereo lahatsoratra etsy ankila). Ny miaramila midaroka olona tetsy Avaradoha koa dia nahatonga ny mponina nirohotra nilanja sora-baventy mba nanehona ny tsy rariry. Mihorohoro ny olona ankehitriny noho ny tsy fandriam-pahalemana izay miteraka heloka bevava matetika.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo