• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Famatsiana herinaratra : Manomboka amin'ny fomba ofisialy ny tetikasa Volobe Amont

27/05/2023 07:28 © Moov.Mg

Tsy mitsahatra mitady vahaolana amin'ny fanatsarana sy ny fampitomboana ny famokarana herinaratra eto Madagasikara sy ny hanarenana ny orinasa Jirama ny Fitondram-panjakana. Izany indrindra no anatanterahana ny tetikasa Volobe Amont.

Nosoniavina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fifanarahana amin'ny fanatanterahana ny tetikasa Volobe Amont eo amin'ny orinasa Compagnie Générale d’Hydroélectricité de Volobe sy ny fanjakana Malagasy. ty tetikasa ity dia hamokatra herinaratra avy amin'ny riandrano izay hamokatra hatramin’ny 750 GWh isan-taona ary hanana tanjaka 120MW, ary vahoaka malagasy maherin'ny 2 tapitrisa no tombanana hisitraka ity tetikasa ity ao amin’ny Faritra Atsinanana.

Fanafoanana ny délestage

Efa fotoana maharitra tokoa izay no niadiana tamin'ny fahatapahan-jiro. Miroso tsikelikely amin'ny fampitomboana ny famokarana herinaratra araka izany ny fitondram-panjakana sy ny ministeran'ny angovo.
Ny fametrahana tetikasa famokarana herinaratra avy amin'ny angovo azo havaozina sy lovain-jafy tahaka ity dia hampihena ny sandam-pamokarana herinaratra ka hampihena araka izany ihany koa ny vidin-jiro. Anisan'ny izany ny tetikasa Sahofika izay hananana tanjaka hatramin’ny 192MW, efa voasonia ary an-dalam-panamboarana ny tobim-pamokarana any Ranomafana manana tanjaka 64MW, eo ihany koa ny Mandraka 3 sy ny PRIRTEM 1 sy 2.
Nambaran'ny Filoham-pirenena ihany koa fa ny Fitondram-panjakana dia efa miroso amin’ny fametrahana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny herin'ny masoandro miisa 37 manerana ny Nosy toy ny any Anosibe an'ala, Amparafaravola, Andilamena, Tanambe, Iakora, Nosy Varika, Tsihombe, sns

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo