• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Ceni_Madagascar
Image
Vaovao

Lisi-pifidianana : Hikatona afaka roa andro ny fisoratana anarana

29/05/2023 09:47 © Moov.Mg

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny famaranana ny asany ny avy eo amin’ny vaomiera ifotony misahana ny fanisana ny mpifidy na ny CLRE sy ireo mpanisa ny mpifidy na ny Agent recenseur (AR).

Ny Alarobia 31 Mey 2023 ho avy izao manko no daty farany voafaritra ahafahan’ireo mpifidy misoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Mbola mitohy ny asan’ireo CLRE sy AR, izay miompana amin’ny fitetezana fokontany mandrapahatongan’io daty io.

Isan’ny olona voasoratra anarana

Tanjona napetraky ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI, ny hampidirana ny anaran’ireo olom-pirenena rehetra feno 18 taona noho mihoatra ao anatin’ny lisi-pifidianana. Manodidina ny 13,5 tapitrisa olona eo ho eo ny totalin’izany manerana ny Nosy. Hita anefa fa somary manano-sarotra ny fanenjehana izany isa izany.
Ny volana Aprily lasa teo dia olom-pirenena miisa 10 069 136 teo ho eo no voasoratra tao anatin’ny lisitra. Rehefa natao anefa ny asa fanadiovana io lisitra io dia anarana 66 313 no voatery nofafana, izay marihina fa anarana miverimberina izy ireo. Mbola nisy ihany koa ireo anarana tsimaintsy mbola nohamarinina. Ny 11 aprily lasa teo ary dia fantatra fa mpifidy miisa 9 623 662 no voasoratra tao anatin’ny lisitra sy ny rejisitry ny mpifidy.

Hikatona tanteraka ny fahafahana misoratra anarana

Araka ny efa nambara ombieny ombieny dia ny 31 mey ho avy izao no hikatona tanteraka ny fahafahana misoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. “Raha ho an’Antananarivo manokana dia hita fa mbola ambany ny taham-pisoratana anarana”, hoy ny ny talen’ny kabinetran’ny CENI, Jean Louis Andriamifidy. Ny farany herinandro teo ary dia nanatanteraka fidinana ifotony ny avy eo amin’ny CENI mba hanentanana faraparany ireo mpifidy hisoratra anarana.
Na dia eo aza anefa ireo tsy fahatomombanana hitan’ny mpifidy dia azo lazaina mazoto ihany izy ireo hisoratra anarana. Misy ohatra ireo mitaraina fa mikatona aloha loatra ny biraom-pokotany koa manjary tsy manana fotoana hisoratana sy hijerena ny anarany izy ireo. Araka ny toromarika nomen’ny CENI ary dia mivoha manomboka amin’ny 08 ora maraina hatramin’ny 06 ora hariva ny fokotany. Natao izany mba ahafahan’ny olom-pirenena tsirairay misitraka ny zony dia ny fahafahana mifidy izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo