• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Dgrs
Image
Vaovao

Fifamoivoizana : Manatanteraka hetsika fitsirihina ny tompon’andraikitra

29/05/2023 13:15 © Moov.Mg

Manatanteraka hetsika fitsirihana hatramin’ny 01 jona ho avy izao ny avy eo amin’ny Foibe Fitsarana ny Fiarakodia na ny DGRS, ho fisorohana ny mety ho fitrangan’ny lozam-pifamoivoizana.

Maro matetika ireo trangana lozam-pifamoivoizana hita eny rehetra eny rehefa fety toa izao. Manoloana izany dia manamafy ny asany ho fisorohana ny loza mety hiseho eny an-dàlana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

Fandraisana andraikitra

Amin’izao fotoanan’ny fety izao dia manatanteraka hetsika ny avy eo amin’ny Foibe Fitsarana Fiarakodia na ny Direction générale de la sécurité routière. Efa natomboka ny zoma 26 Mey lasa teo izany ka haharitra fito andro. Tsy hitsahatra ny hetsika raha tsy ny Alakamisy 01 Jona ho avy izao.
Ao anatin’ny fanatanterahana izany hetsika izany dia miasa ireo Sampan-draharaha misahana ny hetsika sy fitsirihana ara-teknika an-dàlambe sy ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia manerana ny Nosy. Izany no natao dia noho ny hamaroan’ny fianakaviana mitondra fiara misintaka ny renivohitra rehefa andro fety toa izao. Voakasik’izao fitsirihana izao ihany koa ireo fiara mpitatitra olona (taksibrosy) rehetra izay mandray fiaingana eny anivon’ireo tobim-pihatsonana maro samihafa.

Fiarovana ny ain’ny olona sy ny tontolo iainana

Tanjona voalohany amin’ity hetsika Pentekosta hieren-doza ity ny hiarovana ny ain’ny mpampiasa làlana rehetra manoloana ireo lozam-pifamoivoizana mety hiseho eny rehetra eny. Fotoana iray ihany koa io hamerenana indray ny fahatokisan’ny vahoaka « fa miaro ny ainy sy fananany ny mpitandro ny filaminanana hahafahan’ny olon-drehetra mankalaza ny fetin’ny Pentekosta 2023 am-pilaminana sy lavitryny lozam-pifamoivoizana. » hoy ny avy eo amin’ny DGSR.
Zava-dehibe ihany koa anefa ny fiarovana ny tontolo iainana. Noho izany dia hojeren’ireo teknisianina manokana ireo fiara mamoaka setroka mihoa-pampana. Ho arahamaso akaiky ihany koa ireo Tricycles izay hita ho nihamaro isa. Misy amin’izy ireo moa no mitatitra olona ivelan’ny renivohitra.
Ao anatin’ny fampanarahan-dalàna hatrany dia hisy hojerena ihany koaireo mpampiasa fiara mitondra laharana vahiny fa indrindra ireo laharana « WWT ». Ireo mampiasa jiro be mahajambena amin’ny alina ihany koa na « LED » ary ireo mampiasa fitaratra matroka misy « pellicules » dia hanaovana fanentanana sy fampahafantarana satria marihina fa voararan’ny làlana izy ireny.
Manamafy ary ny avy eo amin’ny DGRS fa tsy handefitra amin’ireo fiara tsy manara-dàlana izy ireo. Izany dia mba ho fialàna amin’ny loza mety hiseho avokoa satria lahy tokana ny aina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo