• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena_Malagasy
Image
Vaovao

Bar, Karaoke, Boite de nuit, Pub : Voarara ho an’ireo ankizy latsaky ny 18 taona

22/06/2023 22:25 © Moov.Mg

Maro ankehitriny ireo toerana fialana voly natokana ho an’ny olon-dehibe izay ahitana ankizy latsaky ny 18 taona. Manoloana izany tsy fanarahan-dalàna izany dia nanatanteraka hetsika ny mampahatsiahy ny tokony tsy hanaovana izany ny polisy androany.

Nametaka takelaka ny polisy

Tsy azo ataon’ny ankizy tsy ampy taona, izany hoe ireo latsaky ny 18 taona ny miditra amin’ireny toerana fialana voly natokana ho an’ny lehibe ireny. Tafiditra ao anatin’izany ireny Bar, Karaoké, Boite de nuit sy Pub ireny.
Androany ary no fotoana nosafidian’ny avy eo amin’ny polisim-pirenena hametahana ireo takelaka mampahatsiahy ny rehetra fa tsy azo hidiran’ny ankizy ireny toerana ireny. Voasoratra amin’io takelaka io fa « TSY AZO IDIRAN’NY LATSAKY NY 18 TAONA » ireo toerana voalaza tetsy ambony ireo.

Ho fiarovana ny ankizy tsy ampy taona

Araka ny voalazan’ny lalàna dia tsy natao ho an’ny ankizy tsy ampy taona ireny toerana fialana voly ireny. Maro tokoa mantsy ireo ankizy mifoka, migoka sy miloka amin’ireny toerana ireny. « Ho fiarovana ireo anizy malagasy, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao, ny fametahana izany takelaka izany izay haparitaka manerana ny faritra eto an-drenivohitra », ny avy eo amin’ny polisim-pirenena. Tokony tsy ho adinoina fa maro ireo loza mety hahazo ny ankizy amin’ny fandehanana amin’ireny toerana ireny. Mety hisy ihany koa ireo hanararaotra, ary voakasik’izany manokana ireo ankizy vavy.
Tonga nidina ifotony « nampahafantatra ny tompon’ireny toeran ireny ny polisy androany, fa tompon’andraikita voalohany izy ireo raha ka misy zaza tsy ampy taona hita ao anatin’ireny toerana ary, ary mety hitarika hatramin’ny fanakatonan’ny mpitandro ny filaminana ilay toerana mihitsy aza. » Inoana fa hiantefa any amin’ireo tomon’ny toerana, ireo ankizy, ary ireo olon-dehibe sy ray aman-dreny ny hafatra sy ny fampahafantarana nataon’ny polisy androany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo