• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

26 Jona : Nandray anjara mavitrika ny mpitandro ny filaminana

26/06/2023 20:36 © Moov.Mg

Ankalazaina isa-taona ny 26 jona ny fiverenan’ny fahaleova-ntena malagasy. Fotoana lehibe ihany koa io hahatsiarovana ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy.

Vory lanona teny Mahamasina, androany, ny vahoaka malagasy, tonga nankalaza ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovan-tena. Mpitandro ny filaminana miisa 3 684 no nandray anjara tamin’ity Matso lehibe ity. 235 kosa ny fiarakodia naranty, efatra ny fiaramanadina ary roa ny angidimby an’ny Tafika. Herinandro maromaro no efa nanomanan’ireo mpitandro ny filaminana ny fampisehoana izay afaka natrehan’ny malagasy tsy vaky volo. Anisan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’ny Matso ihany koa ireo mpianala avy eo amin’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy. Tsy nambakan'izany ihany koa ireo Mpandraharaha ny fonja miisa 180, avy eo amin'ny ministeran'ny Fitsarana. Ny 80 amin'ireo dia efa amperinasa, raha toa kosa ka mbola mpianatra eny anivon'ny ENAP ny 100.
Naneho fiarahabana ny Foloalindahy Malagasy ihany koa ny ministry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, amin’ny izao faha-63 taona nijoroan’ny Foloalindahy izao, izay tsiahivina fa mifanandrify amin’ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena ihany koa.
Taorian’ny matso lehibe izay nifandimbiasan’ireo rantsa-mangaikan’ny Tafika, dia nisy ihany koa ny fampisehoana lehibe nataon’ireo tanora maro manan-talenta amin’ny soradihy. Nisy ihany koa ny seho nataon’ireo mpikatroka haiady. « Malagasy miray hina, Madagsikara mandroso », io no lohahevitra nentina nanamarika izao andro lehibe toa zato izao ho an’ny Tafika Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo