• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Tantara an-tsehatra amin’ny teny frantsay tao Matsiatra Ambony : Nivoaka ho mpandresy ny lisea Ambalakely

26/06/2023 21:10 © Moov.Mg

Notanterahana ny herinandro lasa teo ny fifaninana rezionaly mikasika ny tantara an-tsehatra amin’ny frantsay. Tao amin’ny foibem-pitodram-paritry ny fanabeazam-pirenena Matsiatra Ambony no nandray izany, raha toa ka faritra maro manerana ny Nosy ihany koa no efa niroso sy miomana amin’izany.

Lisea miisa 10 avy ao amin’ity foibem-paritra ity no nanaovana ny fifaninanana tamin’ity indray mitoraka ity. Nandray anjara mavitrika tamin’izany aza ny Lisea Ambalavao, Manakara, Ikalamavony, Matavy, Anjoma Itsara, Idanda, Andromiditra, Raherivelo Ramamonjy, Mananjary, ary Ambalakely. Ny zoma 23 Jona lasa teo, raha ny marimarina kokoa no tonga nanatrika ny fifaninana tao amin’ny Alliance Française Anjoma Fianarantsoa ny solo-tena avy amin’ireo lisea folo voalaza tetsy ambony ireo.
Hiatrika ny fifaninana nasionaly izay hatao ny volana jolay ho avy izao, eto Antananarivo, araka izany ny lisea nivoaka mpandresy, izay tsy iza fa ny lisea Ambalakely. Ny fifaninana toa izao moa no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Masoivoho Frantsay eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo