• Cours de change
  • 4802.7 AR
  • |
  • $4445.53 AR
Copyright Image : © Gn Vakinankaratra
Image
Vaovao

RN7 : Voasambotra ireo mpitoraka fiara

08/07/2023 08:46 © Midi Madagasikara

« Mamomamo avy any amin’ny lanonana izy ireo dia ny fiara mandalo no ataony tsaky » hoy ny fampahafantaram-baovao nataon’ny teo anivon’ny zandary. Efa fantatra ary efa voasambotra avokoa mantsy ireo andian’olona tsy fantatra, izay nisetrasetra sy ny nitoraka ireo fiara nandalo, tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny ny alin’ny alahady lasa teo.

Fisetrasetrana izay, raha tsiahivina dia nitarika fahapotehan-javatra sy nandratrana olona. Fiara taxi-brousse maromaro sy fiara tsotra mantsy no lasibatr’ireto andian’olona ireto, izay niteraka horohoro tamin’ireo mpampiasa an’iny lalam-pirenena iny rehetra.

Taorian’io tranga io tokoa dia nandray andraikitra haingana dia haingana ireo zandary misahana iny lalana iny, tamin’ny fikarohana izay mety ho nahavanon-doza. Tsy niandry ela izany fa andro vitsy taoriana dia izao tra-tehaka izao avokoa izy ireo : tanora enina mianadahy. Vao erotrerony avokoa izy ireo, hoy ny fampahalalam-baovao satria manodidina ny 16 ka hatramin’ny 21 taona teo izy ireo. Tamin’io fotoana io dia nisy fety teo amin’ilay tanana. Mamo avy any izy ireo ary io nahavita asa ratsy io.

« Natao ny fanentanana ireo ben’ny tanàna, ireo fokontany sy andrimasim-pokonolona handray fepetra hilaza amin’ny tsirairay rehefa misy fety aman-danonana mba tsy hanao asa ratsy. Ary samy hanaramaso ny manodidina azy », hisorohana ny toe-javatra tahak’izao. Miantso ihany koa ireo mpampiasa lalana mba hampandre avy hatrany ny zandary akaiky azy ireo raha misy tranga mampiahiahy amin’ny lalana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo