• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Passeport_Santé
Image
Vaovao

Ady amin’ny zava-mahadomelina eo anivon’ny Foloalindahy

10/07/2023 16:21 © Moov.Mg

Anisan’ny trangam-piarahamonina mahazo vahana tokoa ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina ankehitriny. Manoloana izany dia manatanteraka hetsika ny foloalindahy.

Manamafy ny ady ny Foloalindahy

Maro ireo tanora sy zatovo tafalatsaka tanteraka ao anatin’ny fifohana sy ny fidorohana zava-mahadomelina ankehitriny. Ao ihany koa anefa ireo olon-dehibe mety hiankin-doha amin’izany. Izany indrindra no anton’ny hetsika izay nokarakaraina teo anivon’ny foloalindahy.
Ity hetsika ity dia miompana amin’ny fampahafantarana ny voka-dratsy ateraky ny fandraisana sy ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina. Ireo sampan-draharahan’ny fahasalamana miaramila manerana ny Nosy no nitarika izany, ary iantefan’izany hetsika izany avokoa ny vondron-tafika rehetra.
Ny fiadiana amin’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina dia fomba iray hiarovana ireo foloalindahy amin’ny mety ho tsy fahasalamana aterak’izany fa indrindra indrindra mba hahafahan’izy ireo manaja ny asany araka ny tokony ho izy. Mety hiteraka fihetsika mahery sy tsy ampiheverana tokoa ny fandraisana ny zava-mahadomelina.

Fametrahana paikady

Mandritra izao hetsika izao dia tanjona ny hametrahana ireo paikady fisorohana sy ny fitadiavana ny fomba rehetra hanoherana ny fandraisana zava-mahadomelina eo anivon’ny foloalindahy. Endrasana ihany koa ny hanentanan’ireo miaramila ny ankohonany sy ny mpiaramonina aminy amin’ny fiadiana amin’ny zava-mahadomelina. Miainga amin’ny fampahafantarana sy ny fanentanana anefa izany.
Tanjona amin’ity hetsika ity ihany koa « ny fampahafantarana ireo fepetra tokony ho raisina raha sanatria misy olona tsikaritra manana olana amin’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina » hoy ny avy eo amin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena.
Vao tsy ela tokoa izay fa ny faran’ny volana Jona teo no notokan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny « Centre de Sevrage » napetraka etsy Itaosy. Afaka mandray an-tànana ireo olona miankin-doha tanteraka amin’ny zava-mahadomelina ity ivontoerana ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo