• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mjm
Image
Vaovao

Camp Pénal Ambatoboeny : Hampitomboana ny velaran-tany ho volena

11/07/2023 16:50 © Moov.Mg

Nanatanteraka fidinana ifotony teny anivo’ny camp pénal Ambatoboeny ny ministry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana.

Anton-diany tamin’izany ny hanomezana toromarika ireo mpiasan’ny camp pénal mahakasika ny fanatsarana ny fomba fitantanana. Nampahafantarin’ny ministra nandritra izany tafa niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra sy mpiasa eo anivon’ny fonja izany ihany koa ny fanitarana ny velaran-tany ho volena.

Fahavitan-tena ara-tsakafo

Hampitomboana ny velaran-tany ho volena manomboka ny taom-pambolena manaraka io ho an’ny Camp Pénal Ambatoboeny, hoy ny ministry ny Fitsarana. Arakan y fantatra dia mizara roa io camp pénal io ka ny voalohany dia hita ao Marofilao izay ahitana velaran-tany mirefy 270 ha. Novolena vary, katsaka, vomanga ary voatsiroky ny 34 ha amin’io velaran-tany io, izay marihina fa ireo voafonja ihany no mikarakara azy. Ny 75 ha kosa dia iarahan’ny Camp pénal miasa amin’ny mponina ao an-toerana. Ao ihany koa ireo tany tsy azo kasihana mba hiarovana ny nofon-tany. Raha i Marofilao hatrany no resahana dia manana omby miisa 21 sy orsy miisa 58 ny « Camp Pénal » Marofilao.
Ny ao Begara kosa dia ahitana velaran-tany mirefy 300 ha sy 50 ara. Efa nahavokarana vary ny 60ha amin’ireo velaran-tany io nisy fotoana. Ankehitriny kosa dia katsaka no volena eo ary ny voafonja no mikarakara izany fambolena izany. nNy 75 ha indray kosa dia iaraha-miasa amin’ny mponina ao an-toerana. Ankoatra ny fambolena dia manana omby miisa 6 ny camp pénal ao Begara.
Ny firosoan’ny voafonja amin’ny fambolena sy ny fiompiana toa izao dia manampy azy ireo hahatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo, izay marihina fa tafiditra ao anatin’ny velirano faha-sivin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ny fampitomboana ireo velaran-tany afaka ho volena sy ampiasain’ny eo anivon’ny fonja dia fomba iray hahafahana manatsara izay fahavitan-tena ara-tsakafo izany ho an’ireo voafonja.

Fitodihana amin’ny maha-olona

Nandritra ny diany dia nitondra fanazavana mahakasika ny fanatsarana ny fomba fitantanana ny fonja ihany koa ny ministra. Tafiditra ao anatin’izany fanatsarana izany ny fandraharahana ny fonja izay mitodika amin’ny maha-olona. Izany dia afaka adika amin’ny fiteny baiko hoe « humanisation de la détention ». Tao anatin’ny fifampiresahana dia nanome toro-marika vaovao mahakasika izany ny ministra.
« Anisan’izany fitodihana amin’ny maha-olona izany ny fanatsarana ny fanjariana ara-tsakafo eny anivon’ny fonja izany. » hoy hatrany ny ministra. Andrasana amin’ireo tompon’andraikitry ny fonja sy ireo mpiasa rehetra ao amin’ny, ny fanarahana ireo toro-marika isan-karazany izay napetraky ny ministera. Tanjona amin’izany hatrany ny hananjana ny zon’ireo voafonja sy ny fanatsarana ny fandraisana an-tànana azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo