• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Tana Ville
Image
Vaovao

Pasitera mpisoloky : Lasibatra ny mpivaro-kena sy ny mpivarotra akoho

12/07/2023 08:54 © Midi Madagasikara

Lehilahy mianjaika tsara sy milanja baiboly, ambonin’izay, mbola mpitory tena sy pasitera ve moa hamitaka ? Kanjo, rehefa tsy niverina intsony ingahy pasitera ny ampitso, handoa ilay vidin-kena 50 kilao be izao lasany any, vao tonga saina.

Nametrahana fitorina malaky teny anivon’ny zandary ary voasambotra ihany nony farany Ingahy Pasitera. Fitarainana nataon’ny mpivaro-kena sy mpivarotra henan’akoho maromaro teny amin’ireny faritra Ambohimangakely iny no niaingan’ny fikarohana ity « olon’Andriamanitra » sandoka ity.

Nambaran’ny fanazavana nomen’ny zandary mantsy fa iretsy voalohany no tena atao lasibatra sy mitondra faisana mihitsy. Ny loza dia rehefa avy mahavoa amin’ny toerana iray ny anao lahy dia mifindra indray. Ambohimangakely, Ambatomirahavavy, Imerintsiatosika, Itaosy, Ampitatafika, Fenoarivo, Arivonimamo, Ambanitsena, 67ha, ary Andoharanofotsy … Ireo no toerana efa nahazoany hena amam-polony kilao avy. Ny alatsinainy teo ranamana no tratran’ny vela-pandriky ny zandary tetsy Andravoahangy, ary tsy afa-niala intsony. Mbola tratra teny aminy aza, araka ny fampitam-baovao navoakan’ireo mpitandro filaminana hatrany, ny henan’akoho « poulet de chair » milanja eo amin’ny 30 kilao teo. Vao azony mora foana teny amin’iny faritra Itaosy iny. Tsotra be ny paik’adin-dranamana. Mody mitory teny izy, ary milaza fa pasitera mihitsy moa. Ny fiakanjony, ny fomba fihetsiny dia toa mitory izany avokoa, hany ka roboka sy tsy misy ahiahy izay mpivaro-kena hatoniny.

Maka entana am-polony kilao ingahirainy, izay lazainy fa haloany eo ny ampitso, ary omeny laharana mihitsy ilay mpivarotra. Mazava ho azy fa miaraka amin’ny fandresen-dahatra tsy misy toy izany. Ny ampitso anefa, tsy hita popoka intsony ny lehilahy ary ilay laharana finday nomeny dia tsy misy akory. Efa maromaro no voan’ity lehilahy ity, hoy ny teo anivon’ny zandary. Izy raha ny fantatra tamin’ny famotorana natao azy, dia tena mpitondra fivavahana tamin’ny fiangonana zandriny iray tany Foulpointe tany, saingy voaroaka ny taona 2019.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo