• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Jirama_Ofisialy
Image
Vaovao

Rano tapaka : Mitatitra rano amin’ny alàlan’ny Kamiao citernes ny Jirama

12/07/2023 16:23 © Moov.Mg

Roa andro teo ho eo izany no nampitaraina mafy ny vahoaka noho ny fahatapahan-drano izay hita tamin’ny faritra maro teto andrenivohitra. Nitondra fanazavana mahakasika izany ny Jirama ary nilaza fa efa eo an-dàlam-panarenana ny tsy mety izy ireo.

Fahasimban’ny fantsona DN600 ao Ambatoroka

Tsy ny faritra Itaosy irery intsony ankehitriny no mizaka ny fahatapan-drano eto Antananarivo. Anisan’ireo voatery miaina ao anatin’ny tsy fisian’ny rano mandritra ny ora maro ihany koa ireo faritra maro manerana ny renivohitra. Araka ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny Jirama dia anisany mitarika izao tsy fahatomombanan’ny famatsian-drano izao ny fahasimban’ilay fantsona lehibe etsy Ambatoroka.
Asa lehibe telo no notanterahana teo amin’io fantsona io. Omaly ihany dia efa vita ny roa tamin’izany izay nahafahana namerina ny famatsiana ny rano tamin’ny faritra sasany. Teo ampanatanterahana ny asa fahatelo ireo teknisianina no tojo olana, satria efa antitra hoy izy ireo ny fantsona. Anio maraina kosa dia efa vita hatramin’ny farany ireo asa fanamboarana. Na dia izany aza dia mbola nitohy ihany ny fahatapahan-drano.

Mamatsy rano amin’ny kamiao

Nitady vahaolana manoloana ny tsy fahatomombanan’ny famatsian-drano ny Jirama anio. Raha tsiahivina manko dia mbola nitohy izany fahatapahan-drano izany na dia efa vita aza ny asa fanarenana ilay fantsona tao Ambatoroka. Ny tsy fahampian’ny tosika na ny « pression » no mahatonga izany, raha ny nambaran’ny Jirama.
« Mbola tsy tonga amin’ireo faritra avo ny rano. Vatsiana vonjimaika amin’ny kamiao citernes aloha ireo izay mbola tsy misitraka rano », hoy ny Jirama. Tafiditra ao anatin’ireo faritra mbola tapaka rano ny maraina teo i Andohalo, Andafiavaratra, Antaninarenina, Antsahavola sy ny manodidina. Teo ihany ny faritra Ambondrona, Antaninadro, Besarety, Andravoahangy, Manjakaray ary Amboditsiry.
Tonga nitety ireo faritra voalaza ireo ny kamiao citernes an’i Jirama, ary nizara rano mamaim-poana ho an’ny vahoaka anio Alarobia 12 Jolay. Na dia izany aza dia nanambara ny Jirama fa anio folakandro no vinavinaina hiverina tanteraka amin’ny laoniny ny famatsian-drano amin’ireo faritra avo ireo. Efa tokony manomboka miverina amin’ny laoniny avokoa, araka izany, ny famatsiana rano any amin’ireo faritra tapaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo