• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ihosy : Fanapahana lohan’olona, olona roa voasambotry ny polisy

13/07/2023 09:16 © Midi Madagasikara

Lohan’olona efa tsy nisy maso intsony, ary heverina fa elaela ihany no nisaraka tamin’ny vatany no nisy nahita, tsy lavitry ny tanana iray tao amin’ny fokontany Fiadanana, ao amin’ny kaominina Soamatasy, distrikan’Ihosy.

Nampandrenesina avy hatrany pôlisy ary nandray andraikitra nanao ny famotorana rehetra. Vantany vao nahazo vaovao mahakasika ity vono olona feno habibiana ity ireo tompon’andraikitry ny filaminana dia nidina avy hatrany teny an-toerana, ary nanao ny fanadihadiana rehetra. Tsikaritra tamin’izany, hoy hatrany ny vaovao fa nisy olona roa mipetraka tsy lavitr’ilay toerana nahitàna lohan’olona ity, ary ahiana fatratra ho tompon’antoka tamin’izao vono olona izao. Niroso tamin’ny fisamborana ny pôlisy ary nitondra azy ireo ho any amin’ny birao, ho amin’ny famotorana. Vetivety moa dia niely toy ny tsy teo ny vaovao, ary vantany vao nahare izany ny fokonolona dia nirohotra nihazo ny biraon’ny pôlisy hitaky ireto olona roa voasambotra ireto, hanavaon’izy ireo fitsaram-bahoaka. Niezaka nanazava tamin’ireo vahoaka efa tezitra ireo mpitandro filaminana no sady nandravona ny raharaha. Nanaiky nifampiresahana ihany moa fokonolona ka vetivety dia nilamina ny toe-draharaha. Mitohy araka izany ny fanadihadiana. Tsiahivina fa 4 jolay lasa teo no nisy tranga fanafihana niharo vono olona nitranga tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Anaviavy, ao amin’ny fokontany Ambararata, kaominina Soamatasy. Tokantrano iray somary mitokatokana izy io ary mpivady no lasibatra tao. Raha ny fanazavan’ilay vehivavy tamin’io fotoana io dia novonoin’ireo dimy lahy tonga nanafika azy ny vadiny. Ary notapahin’izy ireo ny famaky mihitsy ny tendany ary nesoriny ny lohany.

Azo heverina fa mety ho lohan’ity raim-pianakaviana, tompon-trano, maty novonoin’ireo olon-dratsy tao Anaviavy ity, ity hitan’ny olona tao amin’ny fokontany Fiadanana, ary ireo olona voasambotra dia mety ho isan’ireo nanafika tamin’io fotoana io. Saingy izany moa ny famotorana ataon’ireo tompon’andraikitra ihany no ahafahana mamantatra izany. Na izany na tsy izany, dia efa samy eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo