• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Ambanja – Angovo azo avaozina : Hiodina afaka iray volana ny tobim-pamokarana

13/07/2023 16:55 © Moov.Mg

Ny volana Aogositra no hisokatra ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny angovo azo avaozina ao Ambositra

Ao anatin’ny tanjon’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo ny fanatsarana ny fisitrahanan’ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy.

Ny volana aogositra no hamokatra ny toby

Iray volana eo ho eo sisa dia hanomboka hamokatra angovo azo avaozina ny tobim-pamokarana ao Ambositra. « Mihazakazaka ny asa firosoana amin’ny fampiasana angovo azo avaozina eto Madagasikara. Ny faran’ny volana Aogositra izao no hanomboka hiodina ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (parc solaire) ao Ambanja. Tsy ho ela dia hiroso amin’ny fametrahana ireo « panneaux solaires » ihany koa ireo teknisiana araka ny nambaran’ny avy eo amin’ny ministera hatrany.
Fantatra ihany koa fa hanome 825 KW ny avy amin’ny herin’ny masoandro, 2104 KW ny « production thermique » izay ahitana milina mpihary herinaratra (groupe électrogène) miisa 4 ka ny 2dia manana tanjaka 660 KW ary ny 2 kosa 392 KW. Hisy araka izany ny firosoana amin’ny fampiarahana ny famokarana herinaratra na « hybridation ».

Fanatratrarana ny tanjona

Mponina miisa 4 675 no hisitraka avy hatrany ny angovo vokarina avy amin’ity tobim-pamokarana herinaratra izay najoro ao Ambositra ity. Na dia eo aza ireo tsy fahatomombanana amin’ny resaka famatsiana herinaratra dia mitohy hatrany ny asa ho an’ny ministera. Anisan’ny tanjon’ny ministera mpiahy tokoa ny hanatsarana ny fisitrahana ny herinaratra ho an’ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’ny fanatratrarana izany tanjona izany indrindra ny fanatanterahana izao tetikasa izao.
Ankoatra ny fanatsarana ny fisitrahana herinaratra dia « Tanjona ny hialana tsikelikely amin’ny fampiasana solikan sy ny fandaniana midangana aminy. Eo ihany koa ny fiahiana ny tontolo iainana. » hoy hatrany ny ministera.
Etsy andaniny kosa anefa dia mbola mitohy hatrany ny fahatapahan-jiro maharitra eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo. Maro ireo mpiasa-tena mitaraina noho ny fahasimban’ny fitaovana sy ny entana vokatr’izany tsy fahatomombanan’ny famatsiana herin’aratra izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo