• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Antananarivo II : Mpanampy an-trano nangalatra 14 tapitrisa ariary

14/07/2023 07:20 © Moov.Mg

Mpanampy an-trano efa nahatokisana no namadika ny mpampiasa azy. Nangalatra vola 14 tapitrisa ariary sy entana maro tao an-trano ny tenany.

Rehefa natokisan'ny mpampiasa azy ity mpanampy an-trano ity dia navela irery tao an-trano. Tsy nahatohitra fakam-panahy ity farany rehefa nisavasava tao ary nahita ny fitoeram-bola tao an-trano. Nalainy ny vola mitentina 14 tapitrisa ariary ary lasa izy nandositra . Rehefa tonga ny tompon-trano dia gaga tsy nahita ity mpanampy ary rehefa nojerena ny fitoeram-bola tao an-trano dia tsy nisy vola intsony.
Nanatona Polisy ny tompon-trano ka 3 andro taorian'io dia tratra teny Ampitatafika ilay mpanampy. Vola mitentina 7 tapitrisa ariary sisa no hita teny aminy rehefa avy nividianany kojakoja ao an-tokantrano ( kidoro, Rice-cooker, koveta , sceau, vilany ,... ) sy akanjo .
Nosamborina avy hatrany ilay mpanampy ary mitohy ny fanadihadiana azy

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo