• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Tanjombato : Mpangaro-paosy iray tratan'ny polisy

14/07/2023 21:03 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Tsy mitsahatra mikaroka ireo mpanao ratsy ny mpitandro ny filaminana, na andro na alina. Polisy nanao fanamiana sivily no nahatratra mpangaro-paosy tany anaty fiara fitateram-bahoaka 137, mampitohy an'Analakely sy Andoharanofotsy.

Efa fandre matetika ny haro-paosy any anaty fiara fitateram-bahoaka. Tsy vitsy ireo mpanao ratsy no efa zatra lalan-dririnina. Tamin'ity indray mitoraka ity, lehilahy iray no nanao ny asa ratsiny tao anaty bus 137. Nisikotra finday ao anaty poketra an'ilay mpandeha teo akaikiny moa ny tenany. Rehefa azony ilay finday dia nasitriny tany am-paosy ary nihevitra fa tsy nisy nahita izy.
Tsikaritr'ilay polisy nanao fanamiana sivily tao anaty fiara nefa izany fihetsika izany ka niantso ny namany avy hatrany izy.
Vokany, voasakana teo amin'ny fiantsonana "Jumbo Tanjombato" ilay taxi-be ary nosavaina ilay lehilahy ka hita tany anaty paosiny ilay finday. Tsy afaka ny namaly intsony ilay mpangaro-paosy ary nosamborina teo no ho eo ihany. Tafaverina amin'ny tompony soa aman-tsara ilay finday.
Entanina ny mpandeha fiara fitateram-bahoaka mba samy ho mailo amin'ireo olon-dratsy mikendry finday na vola. Raha misy mampiahiahy dia azo atao tsara ny miantso ny mpitandro ny filaminana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo