• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Tvpresse
Image
Vaovao

Mpanao gazety niharan’ny vono : Dimy taona sazy mihantona no azon’ilay nidaroka

15/07/2023 06:32 © Midi Madagasikara

« Mampalaelo ny zava-nisy satria dia vono sy daroka niniana natao no nihatra tamiko ary nitondrako takaitra mihitsy ilay izy kanefa dia sazy mihantona no nomen’ireo mpitsara », hoy i Rado Djo Rabemananjara, raha nampiaka-peo tamin’ny zavatra nanjo azy.

I Rado Djo, dia tsy iza fa mpanentana no sady mpanao gazety. Ny alarobia teo no niakatra fitsaràna ity raharaha nanjo azy ity, ary ny nahagaga hoy izy dia teo no ho eo ihany, izany vao vita ny fitsaràna dia nivoaka ny didy. Raha tsiahivina dia ny tapatapaky ny volana jona teo no niseho ity daroka sy vono nahazo azy ity. Raha iny handeha hiditra ny vavahadin’ny tranony tetsy Ambohimanarina iny no nisy nively tamin’ny tavoahangina labiera ny lohany. Nahazo ny fihirifany iny ary niatraika hatrany amin’ny masony.

« Naratra mafy aho tamin’izay, ary voatery nandalo fandidiana mihitsy, ary mbola hitondrako taikatra hatramin’izao, satria tsy misokatra ny masoko ilany ». Rehefa nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana aho, dia voasambotra ilay olona nidaroka ahy tamin’io fotoana io. « Nanao « arrangement » izahay ary rehefa tonga ny fotoana handoavana ny vola nifanarahana dia nivadika izy. Nitondra olon-kafa, izay nilaza fa aleo hiakatra ny raharaha satria izy mahitahita ao amin’ny fitsaràna » hoy hatrany ny fanazavàn’ity mpanentana fandarahana ity. Ary nitohy sy niakatra tokoa ny raharaha, ary io nandeha teny Anosy ny alarobia io. Dimy taona an-trano maizina, sazy mihantona, miampy onitra no nomen’ireo mpitsara an’ilay namono. Didy izay tsy dia nankasitrahan’ilay niharam-boina. « Araky ny re dia misy olona lehibe ao amin’ny fitsaràna manindry ilay mpitsara » hoy hatrany i Rado Djo.

Eo anatrehan’ny zava-misy dia miantso ny tompon’andraikitra mahefa rehetra ity farany, hijery akaiky ny toe-javatra nahazo azy. Milaza ny hampiakatra amin’ny sehatra avoavo kokoa moa ny tenany amin’izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo