• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Sainte Marie : Nohavaozina ny EKAR Notre Dame de l'Assomption, Ambatofotatra

15/07/2023 22:20 © Moov.Mg

Notokanan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany 15 jolay 2023 ny asa fanavaozana ny fiangonana katolika Notre Dame de l'Assomption, Ambatofotatra ao Sainte Marie.

Harem-bako-pirenena
Toerana manan-danja manokana amin'ny Tantara ny Notre Dame de l'Assomption Ambatofotatra, ao Sainte Marie. Izy no fiangonana katolika voalohany naorina tamina akora mafy (construction en dure) teto Madagasikara. Harem-bako-pirenena azy (Patrimoine National) ity toerana ity nanomboka ny taona 1983. Efa miroso ihany koa ankehitriny ny dingana hampidirana azy ho harem-bakoka maneran-tany eo anivon’ny UNESCO hanampy ireo roa izay efa hananantsika dia ny vohitr’Ambohimanga sy ny Tsingin’i Bemaraha.

Fanamboarana

Noho ny fandalovan’ny rivodoza Honorine sy Yvan sy ny tsy nisian’ny fanamboarana efa ela, dia nandalo fahasimbana goavana ny toerana ary nahiana hitera-doza ho an’ireo mpino kristianina nivavaka tato. Tamin'ny taona 2019 ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina no nanapa-kevitra ny hanomboka ny asa fanarenana. Anisan'ny dingana lehibe amin'ny fampiroboroboana ny fizahantany ao amin'ny nosy Sainte Marie mantsy ny asa rehetra.
Nanantitra ny fankaherezana ireo pretra sy relijiozy ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny fanoloran-tenan'izy ireo amin'ny fitaizana ny mpiara-belona hahitsy sy hihaina anaty ny finoana sy ny ara-panahy. Natolotry ny Filoha nandritra io fotoana io ihany koa ny fitaovana fanamafisam-peo izay ho ampiasain'ity fiangonana ity mandritra ireo fotoam-pivavahana, na alahady na andavanandro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo