• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Siteny Randrianasoloniaiko
Image
Vaovao

Siteny R. - Mihava Tour Antananarivo : 0/20 ny naotin'ny mpitondra ankehitriny !

16/07/2023 12:21 © Moov.Mg

Valin-kafatra indray no nasetrin'i Siteny Randrianasoloniaiko ny fitanisan'i Andry Rajoelina ny zava-bitany tamin'ny hetsika mikasika ny fampandrosoana ifotony. Sahy namory vahoaka teto Antananarivo i Siteny, omaly 15 jolay, teny amin'ny ISTS Mandrimena Andoharanofotsy

Fitsikerana sa filazana ny zava-misy ?

"Tsy takatra intsony ny vidim-bary sy solika, tsy voaloha ny vidin-jiro sy rano nefa misedra délestage sy fahataphana-drano. Tsy fantatrareo ny laharam-pahamehana amin'ny fiainam-bahoaka ". Programa fampandrosoana tsy miantraika amin'ny vahoaka no betsaka : Izany no votoanton'ny lahatenin'i Siteny Randrianasoloniaiko. Amin'ity mpanao politika ity dia tsy fantatry ny mpitondra ankehitriny ny laharam-pahamehana amin'ny fiainam-bahoaka.
Na dia somary manindrona aza ireo tenin'i Siteny Randrianasoloniaiko ireo, azo lazaina fa niainga tamin'ny zava-misy marina eny amin'ny fiaraha-monina ny tenany. Na eo aza ny fifanandrinana ara-politika noho ny fifidianana efa manakaiky, mbola manana volana vitsivitsy ny mpitondra hanatanterahana dingana lehibe miantraika amin'ny sosialim-bahoaka.

Fakan-kevitra

Fahombiazana no azo ilazana ny hetsika Mihava Tour Antananarivo. Tonga maro ny vahoaka nasaina, na dia tany amin'ny Faritra foana aza no noheverina fa misy ny mpanara-dia an'i Siteny Randrianasoloniaiko. Tsy nisy mpitandro ny filaminana na antokon'olona nanakana moa ny hetsika.
Nirindra tsara ny fandaharam-potoana rehetra. "Mahafinaritra ny mahita ny filaminana. Ny ankamaroan'ny hetsika mantsy dia iniana korontanina matetika", hoy ny mpandrindra ny hetsika.
Dinika fakan-kevitra, na Symposium hanamafisana ny rafitra sy andinihana miaraka ny ho avin'i Madagasikara no natao tamin'izany. " Mbola tsy nanolotra programan'asa mazava ny kandidà, fa fihainoana ny vahoaka no tena anton'ny fitetezam-paritra ataony.

Fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana

Heverina fa mihato kely indray aloha ireo tery ara-politika eto amin'ny firenena. Na ny hetsika lehibe notanterahin'ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana teto Antananarivo aza mantsy dia tsy nisy nanakantsakana. Tany amin'ny faritra ireo kandida ho filoham-pirenena no tena nisedra olana.
Efa nanamafy nefa ireo Tompon'andraikitra fa ny famoriam-bahoaka anaty trano na toerana mihidy ihany no azo atao. Tsy tokony hahagaga araka izany ny fandrarana ny famoriam-bahoaka ankalamanjana.
Mahaliana ny maro ny amin'ny fandaminana rehetra mikasika ny fampielezan-kevitra. Mbola tsy nisy fanambarana mazava ihany koa ny mikasika ny sazy mety hihatra amin'ireo kandida manatanteraka fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Ampahatsiahivina nefa fa samy efa ''nangalatra départ '' avokoa ny ankamaroan'ireo te hirotsaka hofidiana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo