• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Marc Ravalomanana
Image
Vaovao

Marc Ravalomanana : Tsy mametraka olana amin'ilay 1 milliard fmg !

16/07/2023 12:26 © Moov.Mg

Tsy hihemotra amin'ny fanapahan-keviny ny filohan'ny antoko TIM. Hirotsaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023 ny tenany na dia tsy maintsy handoha ilay vola 1 milliard fmg na 200 millions ariary aza.

Tsara fiomanana

Efa nomanin'ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana hatry ny ela izao filatsahany ho fidiana izao indray. Izany indrindra no nanambarany fa tsy mametraka olana amin'ilay ''caution'' niakatra avo efatra heny ny tenany.
Mitohy hatrany ny fitsidiham-paritra ataony, izay hahafahany mampahafantatra ilay programan'asa "MAP Plus". Io tetik'asa fampandrosoana an'i Madagasikara io no ho ampihariny raha mandray ny fitondrana indray ny tenany. Hanohy indray ireo programa efa natombony ny filoha teo aloha, sady hitondra fanavaozana ny MAP araka ny filan'ny vahoaka.

Fanarahan-dalàna

Manao antso avo ny amin'ny hanajana ny lalana mikasika ny fifidianana ny kandida Marc Ravalomanana.
"Miantso ny rehetra izahay mba samy hanaja ireo DIDY AMAN-DALÀNA velona sy ireo ZO ananan’ny Mpisehatra tsirairay avy amin'izao datim-pifidianana nivoaka omaly Talata 11 Jolay 2023 tamin'ny alalan'ny Filankevitry ny Governemanta izay miantso ny Mpifidy handatsa-bato ny 09 novambra ho avy izao, hifidy izay ho Filoham-pirenena hiasa mandritra ny dimy (05) taona ho avy", hoy ny tenany tao amin'ny pejiny.

Tsy adinon'ny kandida Marc Ravalomanana ihany koa ny niantso ny firaisamonim-pirenena mba havitrika hanabe sy hanentana ny vahoaka malagasy rehetra hiatrika ny fifidianana 2023.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo