• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Hr 2023.Jpg
Image
Vaovao

Fifidianana 2023 : Miombona ny antoko HVM sy ny ZA GASY

16/07/2023 18:45 © Moov.Mg

Miray fo amin'ny antoko politika Hery Vaovao ho an'i Madagasikara (HVM) manomboka izao ny Za Gasy. Mitombo indray araka izany ny mpanohana ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina.

Fampandrosoana iraisana

"Ny FITIAVAN-TANINDRAZANA no mampiray antsika. Madagasikara Misandratra no tanjona iombonantsika", izany no teny filamatry ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Izany indrindra no mampisokatra ny antoko HVM amin'ny fiaraha-miasa rehetra.
Miombona araka izany ny HVM sy ny fikambanana Za Gasy, amin'ny anatanterahana ny Vina Fisandratana. Tetik'asa atolotry ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina izany, amin'ny ahafahana mampisandratra indray an'i Madagasikara.

Fihainoana vahoaka

Na efa manana ny fandaharan'asany aza i Hery Rajaonarimampianina, tsy mitsahatra mihaino ny vahoaka ny tenany. "Reko avokoa ny hetaheta sy ny fanirianareo, henoko ny antsoantsonareo, izay tena miandrandra fanantenana vaovao", hoy izy tao amin'ny pejiny. Miantso hatrany ireo olon-tsotra, fikambanana na antoko politika vonona hiara-hiasa sy hampandroso ny firenena ny HVM.
Na mbola tsy nisy aza ny fanambarana ofisialy, azo heverina fa ho anisan'ny kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023 eto Madagasikara i Hery Rajaonarimampianina, filoha mpanorina ny HVM.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo