• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Tsenan’Anosibe : Tsy misy ny famadihana vary tsipala ho toy ny vary nafarana

26/07/2023 13:30 © Moov.Mg

Tsy voaporofo ny filazana fa misy mpivarotra mamadika vary « semence » sy « tsipala » ao anaty gony hampitovy azy amin’ny vary nafarana, mba hahalafo kokoa ny vidiny.

Fidinana ifotony

Taorian’ny vaovao nihely fa misy mpivarotra mamindra ny vary « semence » sy ny vary « tsipala » anaty gony mba hitovian’izany amin’ny vary nafarana dia nanatanteraka fidinana ifotony ny DPC. Tonga nanatanteraka bemidina nitsirika sy nanara-maso avy hatrany ny zava# teny amin’ny tsenan’Anosbe, araka izany, ny avy eo amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa na ny DPC izay efa voalaza tetsy ambony. Tonga nanatevin-daharana ihany koa ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra anatiny (DCI) sy ny Fitaleavam-paritra Analamanga (DRICC).

Fanamarinana ny vaovao voaray

Rehefa tonga teny an-toerana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny dia nanatona ilay olona nanely ny vaovao. Rehefa izany dia niroso tamin’ny fanamarinana ny zavatra voalaza izy ireo. Nandritra izany dia hita fa tsy voaporofo hatreto ny fisian’izany famadihana vary semence sy tsipala ho ao anatin’ny gony hafa izany, ka hampitovy ny vidin’ireto faraminy amin’ny vary nafarana.
Na izany aza anefa dia hitohy ny fanaraha-maso. Hohamafisina ary izany manerana ny tsena rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina. Tanjona amin’izany ny mba hisorohana izay mety ho fisian’ny fanararaotana ataon’ny mpivarotra sasantsany. Ho hentitra ny fanasaziana ho an’ireo izay tratra mandika ny làlana sy manararaotra ny mpanjifa toa izany, hoy ny avy eo amin’ny ministera Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (MICC).
Mety hahazo ny mpivarotra tokoa ny fanararaotana toa izao voalaza izao, ary izany no ilàna ny fanaraha-maso toa izao, izay tanterahan’ny DPC sy ny DCI eo anivon’ny MICC. Na dia eo aza anefa ny fametrahana ny tombotsoan’ny mpanjifa dia hita fa tsy voavaha ny olana satria ny vidin’ny vary amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy takatry ny besinimaro intsony.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo