• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Att
Image
Vaovao

Fitaterana an-tanety ATT : Hifindra eny amin’ny Gara Soarano ny birao

26/07/2023 15:26 © Moov.Mg

Hifindra toerana eny amin’ny Gara Soarano (enceinte Madarail) ny Foiben-toeran’ny Antokon-draharaha misahana ny Fitaterana an-tanety (ATT) manomboka ny alatsinainy 31 jolay.

Hisitraka birao vaovao manomboka ny alatsinainy ho avy izao, araka izany, ny ATT raha toa ka teny Ampasapito no toerana nisy azy hatr’izay. Eny anivon’io birao vaovao io no ho raisina ary ireo rehetra hikarakara « Licence d’exploitation », ny « Autorisation spéciale », ireo hametraka antontan-taratasim-panadinana ahazoana « permis de conduire » ary ireo izay manana raharaha mahakasika ny asa fitaterana an-tanety.
Raha atao bango tokana dia ny toerana handraisana olona no hiova fa ny asa rehetra izay fataony ATT dia mitohy hatrany. Fantaro ary fa misokatra toa ny ora mahazatra ny birao manomboka amin’io alatsinainy 31 jolay io. Araka izany dia mandray ireo rehetra manatona ny birao ny ATT ny alatsinainy hatramin’ny Zoma, manomboka amin’ny 08 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora sy sasany hariva.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo