• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Gc_Cie_Terr_Morondava
Image
Vaovao

Dahalo 10 nitondra basy no naka an-keriny zaza varira

26/07/2023 15:35 © Moov.Mg

Zaza varira iray indray no niharan’ny fankana ankeriny tany Betamenaka Kaominina Ankalalobe, distrikan’i Belo/Tsiribihina. Mbola tena mahazo vahana eto amin’ny Nosy tokoa ny trangana tsy fandriam-pahalemana toa izao, fa indrindra ny fakana ankeriny zaza na olona varira.

Fametrahana vela-pandrika

Zaza lahy iray tokony ho 12 taona teo ho eo no nalain’ny dahalo ankeriny. Ny harivan’ny 23 jolay lasa teo no nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny CB Mahabo. « Nisy olona niantso aho hoe hivarotra varira amiko izy », hoy ity olona nipoiran’ny vaovao, nitantara tamin’ny zandary. Niroso tamin’ny “filature” vela-pandrika avy hatrany ny zandary taorian’izany ary tratra teo amin’ny tanànan’i Mahabo tao amina hotely iray ny olona roa lahy. Ireto farany indray avy eo no nanonona anaran’olona mifandray mivantana amin’ny olon-dratsy nitazona io zaza varira io.
Nisy ary ny fifanjevona teo amin’ny zandary sy ny dahalo rehefa nifanehitra ny roa tonta. Tsimantsy narovana anefa ny ain’ilay zaza varira nandritra izany, koa lasa tafaporitsaka tany anaty ala ireo dahalo. Tsy tratra intsony ireto farany na dia efa nanao izay ho afany aza ny zandary.
Avotra soa aman-tsara kosa ilay aza, ary efa nahazo ny fizahana ara-pahasalamana sahaza azy.

Olana ara-piarahamonina

Olana ara-piarahamonina no niatombohan’io fakana an-keriny io, araka ny feo mandeha. Olona 09 voarohirohy tamin’ny raharaha kosa no efa voasambotra, hatramin’ny omaly. Mbola mitohy ny fanadihadiana mba hahatratrarana ireo tena atidoha nikotrika an’io asa fakana an-keriny ny zaza varira io.
Ny fanadihadiana natao tamin’ilay zaza varira, taorian’ny nanavotana azy, no nahafantarana fa avy any Betamenaka Kaominina Ankalalobe, distrika Belo/Tsiribihina no nisy azy talohan’izao fakana an-keriny izao. Nolazainy ihany koa fa dahalo 10 nitondra basy no nitondra azy. 04 andro teo ihany koa no efa nitazoman’ireo dahalo nitazona azy farany talohan’ny nanavotana azy, raha toa kosa ka efa herinandro izy no nalaina ankeriny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo