• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

JIOI 2023 - Lomano : Nisitraka fitaovana ireo mpilomano sembana

26/07/2023 19:15 © Moov.Mg

Voninahitra lehibe ho an'i Madagasikara ny manana mpikatroka maherifo na dia eo aza ny fahasembanana. Misy amin'ireo hisolo tena ny firenena amin'ny taranja lomano tokoa ireo manan-kilema, nefa tsy mena mitaha amin'ny hafa.

Fanomezana avy amin'ny ministeran'ny Jono

Miara-misalahy ireo ministera isan-tsokajiny amin'ny fanohanana ireo mpilalao sy tompon'andraikitra amin'ny lalaon'ny Nosy. Tsy miady irery araka izany ny ministeran'ny fanatanjahan-tena.
Tamin'ity indray mitoraka ity, ireo mpilomano sembana no notohanan'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga. Fitaovana fanampiny, izany hoe "T-Shirt" sy "Survêtement" miisa 16, no nozaraina. Ahafahan'izy ireo misantatra sahady ireo lalao fiomanana izany.

Teny amin'ny foiben'ny ministeran'ny jono Ampandrianomby moa no nanolorana ireo fanomezana ireo. Notarihan'ny Minisitry Jono, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, moa ny fotoana.Tonga nandray ireo fitaovana fanampiny ireo ny solontena nahitana ny DTN, solontenan'ny atleta ary ny Vice presidente-n'ny "Madagascar Paralympique Commity Fédération". Nisaotra an'Atoa Minisitra sy ireo mpiara-miasa aminy moa ireto solontena ireto ka nampanantena hatrany ny handrombaka medaly maro mandritra ny lalaon'ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo