• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

"Capital Humain" - Andry Rajoelina : Nahazo sitraka tamin'ny ezaka amin'ny Angovo

27/07/2023 06:00 © Moov.Mg

Raha tsy tambo isaina ireo fitarainana mikasika ny délestage sy ny fahatapahan-drano eto Madagasikara, fijery mihabo ny an'ny Banky Iraisam-pirenena. Nahazo sitraka amin’ny ezaka ho an’ny angovo ny filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina, tany Tanzanie.

Tontosa soa aman-tsara omaly 26 jolay ny fihaonana teo amin’ny Filoham-pirenena Malagasy, Atoa Andry RAJOELINA, sy ny Filoha Lefitry ny Banky Iraisam-pirenena misahana ny Faritra Afrika Atsinanana sy Atsimo, Rtoa Victoria KWAKWA, ary ny Filoha Lefitry ny Banky Iraisam-pirenena misahana ny Fampandrosoana ny Maha Olona, Dr Mamta MURTHI. Izan dia tafiditra indrindra ao anatin’ny Fihaonana An-tampony momba ny « Capital Humain » (lafiny maha olona).
Naneho ny fankasitrahany amin’ny fahaiza-mitantana ananan’ny Fitondram-panjakana Malagasy, ireo mpiara-miombon’antoka. Anisan’ireo teboka nahazoana ny fitokisan’izy ireo ny ezaka atao amin’ny firosoana amin’ny fampiasana angovo azo avaozina sy ny fitadiavam-bahaolana maharitra ho an’ny Orinasa JIRAMA.

Ezaka mitohy

Tsy maintsy mitohy ny ezaka ataon'i Madagasikara mba hahomby amin'ny lafiny rehetra. Notsipihan'ny Banky Iraisam-pirenena fa mila hamafisina ireo seha-piaraha-miasa miaraka amin'ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana.
Nanambara moa ny Filoham-pirenena fa ny fametrahana ny fanjakana manakaiky vahoaka izay nilofosan'ny Fitondram-panjakana tao anatin'izay efa-taona mahery izay dia natao ihany koa hanamafy orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy hisarihana ireo mpampiasa vola tsy miankina. Naneho ny fahavononany hanohy hatrany ireo fanavaozana sy hanamafy ireo asa fampandrosoana mifanindran-dalana miaraka amin’ny sehatra tsy miankina ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo