• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Alasora – Fanafihana : Jiolahy telo lahy no saron’ny polisy

28/07/2023 12:02 © Moov.Mg

Tratehaky ny polisy ny lehilahy telo ahiana no tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny Shop Liantsoa tetsy Ankadindratombo.

Fanafihana namoizana ain'olona

Ny 26 jolay lasa teo tokony ho tamin’ny 07 ora hariva teo, raha tsiahivina no nitrangana fanafihana mitam-piadiana ny tranombarotra lehibe iray tetsy Ankadindratombo. Olona iray fantatra fa mpamily taxi moa no namoy ny ainy vokatr’izany fanafihana izany, rehefa voatifitra. Lasan’ireo nahavanon-doza ihany koa ny lelavola mitentina 500 000 ariary teo. Tafaporitsaka moa ireo jiolahy, ary nanomboka teo ny haza-lambo notanterahan’ny mpitandro ny filaminana.

Sarona ireo jiolahy

Anio maraina ary dia nanambara ny avy eo amin’ny polisim-pirenena fa tra-tehaka ireo ahiana ho nahavanon-doza. Rehefa natao ny fanadihadiana sy ny angom-baoavao rehetra dia fantatra fa anisan’ny tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity ny mpiambina iray tao amin’io tranombarotra io. Ity farany ihany koa naniraka ireo namany hanatanteraka izao fanafihana mitam-piadiana izao, raha ny vaovao navoakan’ny polisy anio hatrany.
Nosamborina avy hatrany ity farany. Tao anatin’ny famotorona azy ihany koa no nahafantarana ny anaran’ireo niray tsikombakomba taminy. Tratra noho izany ny jiolahy roa hafa izay, nirahan’ity mpiasan’ny tranomboratra ity ihany. Hiakatra fampanoavana tsy ho ela moa ireto jiolahy telo ireto.
Marihina ihany koa fa miverina indray ny "couvre-feu" izay manomboka amin'ny 09 alina ka hatramin'ny 04 ora maraina ho an'Alasora, taorian’izao fanafihana nahafatesana olona izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo