• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Famokarana ronono : Mpiompy 800 isa no nozaraina fitaovana

28/07/2023 16:54 © Moov.Mg

Anisan’ny sehatra iray azo trandrahana tsara, ary manampy amin’ny firoboroboan’ny toekarena ny famokarana ronono. Efa manomboka mahazo vahana amin’ny toerana sy faritra maro ankehitriny izany famokarana izany.

Fitaovana ho an’ny fampiroboroboana ny famokarana

Anio no nanatanterahana ny fizarana karazana fitaovana ho an’ny olona mpisehatra ao anatin’ny famokarana ronono teny Anosimasina Itaosy. Mpiompy miisa 800 no nisitraka izany fitaovana izany. Hita tamin’izany ny fitaovam-pamokarana toa ny bidons, seau laitier, tamis sy ny maro hafa koa. Tao ihany koa ny fizarana kits animateur izay ahitana VTT, smartphone, gilet, combinaison, ruban zoomértique, thermomètre, pince mouchette. Mpamokatra masomboly miisa 20 ihany koa no nahazo angadin’omby, mizana ary vanneuse. Ankoatra izay dia fikambanana mpiompy miisa 21 no nomena Planning circulaire ary miisa 4 ny logeurs nomena ombivavy be ronono taureau sy pie rouge norvégienne.

Fampiakarana ny tahan’ny vokatra ronono

Anisan’ny tanjona lehibe tratran’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fampiakarana ny tahan’ny vokatra ronono eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fampitomboana ny tahan’ ny fihinanana ronono izay manampy ihany koa amin’ny ady amin’ny tsy fanjarin-tsakafo.
Miatomboka amin’ny fanatsarana ny fiompiana omby anefa izany. Ao ihany koa ny famokarana sakafon’omby, ny famokarana ronono tsara kalitao, ny fanodinana ny vokatra ary ny famarotana azy. Tanjon’ny ministera amin’izao hetsika fizarana fitaovana izao ny hanohanana sy ny hampiroboroboana hatrany io sehatry ny famokarana ronono io. Inoana fa ho tratra ny tanjona, ary mba hisitraka izany fihinanana ronono izany avokoa ny malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo