• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Asief Toamasina : Miaramila telo nosamborina

03/08/2023 09:44 © Midi Madagasikara

Rehefa niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny fisian’ireo ekipa miaramila manao fanamiana sivily izay nandeha tuc-tuc hamonjy fodiana rehefa avy nirevy, nisy ny fepetra noraisina momba ny sasany tamin’izy ireo.

Raha hiverenana dia nanao lozam-pifamoivoizana ny fitaovam-pitaterana notaingenan’izy ireo. Nandona moto ary naratra ny mpanamory. Iny eo ihany fa ny toetra nanaraka izay no nitarika ny olana. Nanao vava be mantsy ireo miaramila ary nampitraotra ny voadona. Nilaza fa fantar’izy ireo na ny filohan’ny Repoblika na ny Praiminisitra. Endrika fanaparam-pahefana izay niafara tamin’ny fandraisana fepetra. Omaly ary dia fantatra fa nosamborin’ny polisy ary notazomina ao amin’ny biraon’ny CIS (sampam-pitsikilovana) ny telo tamin’izy ireo. Miaramila eo anivon’ny primatiora raha araka ny fanampim-panazavana azo. Sady mamo no nanao vava be tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza ary afaka nitazomana azy ireo ny zava-nitranga. Ny mpanamory tuc-tuc izay tena tokony ho tompon’andraikitra tamin’ilay niseho dia nifona tamin’ny mpitondra moto izay voadona ary nilamina avy amin’ny raharaham-pihavanana ny zava-nisy. Ho an’ireo miaramila kosa dia niitatra ny mahakasika azy ireo ary notazomina sy nanokafana fanadihadiana. Asa anefa raha ny fitsipika anatiny no hanarahana azy ireo na kosa ny lalàna famaizana. Mitodika any indray ny sain’ny maro ankehitriny, indrindra ny ao Toamasina izay mampianatrano ny ASIEF na koa ny lalao hifanandrinan’ny samy mpiasam-panjakana. Maloka tao anatin’ny iray minitra ny fijery ity lalao ity satria nivoaka teo avokoa ny toetra ratsin’ny mpiasam-panjakana sasany. Tao ny miaramila mamo ary nanampatra fahefana, tao koa ny nirombo teny ambony kianja. Manome endrika ratsy ny asam-panjakana…

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo