• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

« Construisons pour Mada » : Nitondra fanampiana ho an’ny sekoly teknika ao Fenoarivo Atsinanana

03/08/2023 09:49 © Midi Madagasikara

Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ity fikambanan’ny mpianatra avy atsy Lille, Frantsa, fantatra amin’ny anarana hoe « Construisons pour Mada » (‘Ndao hanorina ho an’i Madagasikara), sy ny faritra Analanjirofo.

Iray volana mahery teo, izay, araka ny fampitam-baovao azo no tonga tao an-drenivohitry ny Faritra izy ireo, ary nitondra fanampiana ho an’ny Lycée technique tao Fenoarivo Atsinanana. Efitrano anankiroa no fantatra fa nantsangan’izy ireo tamin’izao ary efa manodidina ny 75 isanjato ny fahavitan’ny asa. Ny talata lasa teo no nitsidika izany fandehanan’ny asa izany Goverinoran’ny faritra, Dr Randriamanantena Marcellin. Ny ampitson’io no nanolotra fankasitrahana ho an’ireto mpianatra eo anivon’ny « Haute etude ingénieur » ireto. « Zavatra lehibe ho an’ny Faritra izao vita izao » hoy izy tamin’ny lahateniny.

Fiaraha-miasa tamin’ny Marq Madagascar no nahatonga ireto mpianatra ireto an-tanindrazana. Nifarana tamin’io fotoana io rahateo ny fe-potoana ahafahan’izy ireo nitsidika ny faritra ka hiverina any amin’ny taniny izy ireo, hanohy ny fianarana. Fisaorana mitafotafo moa no natolotry ny Goverinora an’ireo mpiara-miasa sy ity fikambanana ity ary nirary ihany koa ity tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny faritra ity, ny hitohizan’izany hatrany. Marihana fa tonga nanatrika ity fotoana miavaka ity ireo tompon’andraikim-panjakana tao Fenoarivo Atsinanana, nahitàna ny Lehiben’ny Fileovana sy ny Talem-paritry ny fampianarana teknika any an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo